MILA RAVAINA NY RAFITRY NY FANABADOANA

Potika ny firenena rehefa potehina ny fanabeazana sy fampianarana


  • Alatsinainy 06 Oktobra 2025

Ireo firenena mandroso dia firenena manome

lanja ny fanabeazana. Raha simba io fototra io, dia simba ihany koa ny firenena amin’ny sehatra rehetra : toekarena, fahasalamana, fitondrana. Vahoaka tsy nobeazana diA vahoaka mora fehezina sy mora ambakaina : satria tsy mahay mandinika na manavaka izay marina sy diso.Mora mandray hevitra diso sy ambakaina amin’ny propagandy, fampanantenana sy hetsika tiana ataon'ny mpitondra. Tsy mamokatra , tsy mahazo vokatra tsara rehefa ny fampianarana no tsy mandeha tsara satria tsy ampy ny fahaizana. Koa raha potehina izany ny fampianarana, dia mihena ny olona mahay, manampahaizana, injeniera, dokotera, mpampianatra.Ny dikan'io dia tsy afaka mampivelatra ny indostria sy ny teknolojia ny firenena, dia mitohy ho miankin-doha amin’ny vahiny hatrany, voazanaka.
FAHALEOVANTENA ARA-TSAINA
Ireo tanora voaofana tsara dia mahay manome vahaolana amin’ny olana atrehany amin'ny fiainany andavanandro sy iainan’ny firenena. Raha tsy izany, dia miankina amin’ny fahaizan’ny hafa sy tsy afaka mijoro ho tena firenena mahaleo tena isika.Tena misy ireo voka-dratsy azo tsapain-tanana rehefa potika ny fanabeazana: fitsabahana amin’ny politika ataon’ny olona tsy manana fahalalana, fiparitahan’ny kolikoly sy ny tsy rariny, fitomboan’ny fahantrana sy ny tsy fandriampahalemana.
MILA MANOVA RAFITRA
Tsy fidiny ny fahabadoana fa ilay rafitra misy ankehitriny mihitsy no manabado olona ahafahana hangalarana ny taniny, hareny, lovany..Mbola misy fanantenana raha samy manohitra izao rafitra fanabadoana izao ny Malagasy. Mila mifantsika ao an-tsaina mandrakariva fa tena zava-dehibe ny miaro sy manatsara hatrany ny fanabeazana sy ny fampianarana satria izany irery no antoka maharitra hahavelona sy hahasoa ny firenena. Rehefa potehina izany, dia toy ny manaloka ny hoavin’ny firenena sy mamela azy ho potika tsikelikely. "TSY MISY FIRENENA MANDROSO RAHA BADO NY MPITONDRA AZY"
RTT
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

  • Razafindrandriatsimaniry Marie
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Dieudonné Michel

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Ny Malagasy ihany no

  • Ben’ny tanàna Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

  • FITAKIANA IREO "ILES EPARSES"
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Velona indray ny fanantenana

Hijery ny tohiny
FTT