Mila mangaraharaha ilay resaka « ordonnance »

Ahiana ny fampiasana mpikaraman’ady ara-pifidianana…


  • Talata 26 Novambra 2024

Ny lisitra nofaranana tamin’ny 15 mey nampiasaina tamin’ny fifidianana solombavambahoaka

no manan-kery sy ampiasaina amin’ny fifididianana ben’ny tanàna hatao ny 11 desambra izao. Nanentana ny olona mbola tsy naka izany eny amin’ny fokontany ny CENI tao anatin’ny serasera sy fampitam-baovao nataon’ny Talen’ny Fitantanana ny rafitra informatika ao aminy Atoa Ranaivomandimby Alberto omaly. Ho an’ireo ao anatin’ny lisitra nofaranana tamin’ny 15 mey, fa ho an’ireo izay nangataka « ordonannance » mba hisoratana anaty lisitry ny mpifidy kosa dia nambara fa homena kara-pifidianana, havoaka miaraka amin’ny lisitra eny anivon’ny distrika tsirairay ny kara-pifidianan’ireo, ary hozarain’ny rantsa-mangaikan’ny CENI eny anivon’ny Distrika. Nanentana anefa ny CENI mba tsy hiandrasan’ny olona ny fizarana izany isan-tokantrano fa mba hanontany ny fokontany mialohan’ny 30 novambra hoe : efa vita ve ny karatray ? Isan’ny toe-javatra mampanahy amin’ny fifidianana ho avy ity resaka « ordonnance » ity izay ahiana hisy hampiasa amin’ny teti-dratsy ara-pifidianana hanabontsinana lisitra sy hampiasana mpikaram’ady ara-pifidianana na « mercenaires des votes ». Marina fa voalazan’ny andininy faha-42 amin’ny lalàm-pifidianana fa firifiry moa ireo lalàna mikasika ny fifidianana no tsy voahaja ? Hivoaka mangarahara ve ny mikasika io hampidirana mpifidy vaovao io sao sanatria hisy fanabontsinana avo lenta ho ana tombotsoan’antoko na vondron’olona ? Mitovy ve ny herijikan’ny sy ny fahafahan’ny olom-pirenena ? Aiza ho aiza ny tohin’ny fangatahan’ireo kandida ny lisi-pifidianana izay tafiditra anatin’ny lalàna sy fenitra iraisam-pirenena ?
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

  • Razafindrandriatsimaniry Marie
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Dieudonné Michel

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Ny Malagasy ihany no

  • Ben’ny tanàna Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

  • FITAKIANA IREO "ILES EPARSES"
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Velona indray ny fanantenana

Hijery ny tohiny
FTT