Mila fototra ny firenena

«Ny fahalovana ara-tsaina no lasa normal eto amintsika»


  • Alakamisy 04 Septambra 2025

Mila fototra ny firenena, hoy ny mpahaifiarahamonina, Gérard Ramamimampionona.

Ny olombelona, hoy izy, no fototra. Izay ilay hoe «Kianja maitso», izay rafitra hita any ambanivohitra natao ahitàna olombelona misy saina afaka miheritreritra, misy fanahy, mahay miara-monina, tomponandraikitra dia omenao ny anjara toerany daholo amin’ny maha fitsinjaràm-pahefàna ny fitsinjaràm-pahefàna. Na iza na iza amin’izay fotoana izay mitondra eo dia milamina foana io satria efa misy fototra mazava. Mila mametraka zavatra tsara mifanaraka amin’ny kolontsaina sy soatoavintsika isika. Afaka mirindra isika, tsy mifanilika, tsy mifangalatra, tsy mifamaly faty, tsy manao kolikoly tahaka izao. Ohatran’ny araka ny tokony ho izy na «normal» amin’ny olona sasany izao ny kolikoly. Hanao zavatra ianao dia hanontaniany hoe atao amin’ilay haingana sa ilay «normal»? Eo ianao miteny hoe angaha tsy ilay haingana no «normal»? Ny fahalovana ara-tsaina izany izao no lasa ohatran’ny «normal» eto amintsika. Mila lalàna mahasoa ny be sy ny maro fa tsy miaro tombontsoan’olona vitsivitsy ity firenena ity ary lalàna azo ampiharina amin’ny rehetra. Ezaka ilàna ny rehetra mahatsiaro tena ho malagasy ny manarina ity firenena ity, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija
(Sary fanehoana) 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

  • Razafindrandriatsimaniry Marie
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Dieudonné Michel

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Ny Malagasy ihany no

  • Ben’ny tanàna Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

  • FITAKIANA IREO "ILES EPARSES"
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Velona indray ny fanantenana

Hijery ny tohiny
FTT