Mikoropaka mafy ny fitondrana

Hanongana ny PAN Christine Razanamahasoa


  • Talata 26 Martsa 2024

Tsy niandry ela, fa manetsika avy hatrany ny etamazaoro politikany ny fitondrana mba

hanenjika ny Filohan’ny Antenimierampirenena na ny PAN Rtoa Christine Razanamahasoa, taorian’ny kabarin’ity farany ny herinandro teo. Nisy ny fanambarana omaly teny amin’ny Motel Anosy, nataon’ireo depiote izay nilaza mazava fa manohana ny fitondrana sy ny filoha am-perin’asa. Notondroina ho mpanakorontana sy mpanongam-panjakana ny PAN, ka nilazana fa vao nahavita fifidianana neken’ny vahoaka maro an’isa sy neken’ny fianakaviambe iraisam-pirenena ny Firenena Malagasy, izay nahavoafidy an’i Andry Rajoelina. «Tsy ekena noho izany ny fivoizana sy fanelezana ary fambolena korontana eto amin’ny tany sy ny firenena amin’ny endriny rehetra. Hiroso amin’ny fifidianana filoham-pirenena isika, ka mitaky ny fitoniana mba hahafahan’ny vahoaka miatrika izany izahay solombavambahoaka miara-dia amin’ny fitondrana. Manohitra amin’ny heriny rehetra ny mifanohitra amin’izany, ary tsy manaiky ny korontana sy fikononkononana hanongam-panjakana satria tsy izany no hanamora ny fiainam-bahoaka fa vao mainka hiteraka krizy », hoy ny fanambaran’ireo depiote novakian’i Depiote Mamangy Norbert. Niantso ny Birao politikan’ny IRD handray fanapahan-kevitra hentitra amin’ny PAN noho izany ireto depiote IRD sasany nanao fanambarana ireto noho ity farany tondroin’izy ireo ho olona hita fa tsy manaraka ny fitsipi-pifehezana misy ao amin’izany vondrona izany araka ny voalazan’ny fitsipika anatiny ao amin’ny andininy faha-37 mifehy ny antenimierampirenena. Nisy indray avy eo ny fanambarana niraisan’ireo olom-boafidy volomboasary sy ny Birao politika, ka nanamafisana ny fangatahana fanonganana ny PAN tsy ho depiote sy tsy filohan’ny Antenimierampirenena araka ny andininy faha-72 noho ny ambara fa fivadihana amin’ny foto-kevitry ny antoko nahalananiany. Ny PAN izay efa naongana tsy ho TGV, ka haongana tsy ho depiote sy filohana andrim-panjakana izany no tanjona eto. Izy izay tsiahivina fa lany 100% tamin’ny fifidianana izay ho filohan’io andrim-panjakana io ny taona 2019.
EFA NISY FITORIANA TAHAKA IZAO FA NOLAVINA! HO LASA DIDY FAKAN-TAHAKA?
Tsy vao sambany no nisy fanonganana na “déchéance” nangatahana teo anivon’ny HCC, saingy nanomboka tamin’ny 2015 io dia tsy nahomby. Nanaovana fanonganana ny Filoham-pirenena Hery Rajaonarinarimampianina tamin’ny androny, saingy namorona ny antsoina hoe: “pacte de responsabilité” ny HCC. Depiote 7 ihany koa voatory sy nangatahana fanonganana teny amin’ny HCC tahaka izao ny taona 2015, dia Atoa Maroriky voafidy tany Befotaka Atsimo, Raherisoa Vololona Victorine (Antananarivo VI), Randrianasolo Volatiana Pauline (Vondroso, Hanitriniaina Mamy Armand (Miandrivazo), Farhad Houssen (Maintirano), Raveloson Ludovic (Mahabo), Andrianjaka Samson Goulzar (Ampanihy Ouest), saingy tsy nahomby. Notorian’ny Antoko TIM mba haongana tsy ho depiote Andriamanjato Bina voafidy tany Andramasina tamin’ny 2020-2021 rehefa voalaza fa nivadika sy tsy nanaja ny foto-kevitra ijoroan’ny antoko. Tsy voaongana anefa ilay depiote na dia voalaza fa aza nandika ny andininy faha-72 amin’ny lalàmpanorenana. Ho lasa didy fakan-tahaka na “jurisprudence” io tamin’ny raharaha fanonganana ny depiote TIM notsipahan’ny HCC io sa hiova ny sary ka hahazo rariny amin’ny HCC rehefa ny TGV no mitory ka hiongana Rtoa Christine Razanamahasoa? Moa tsy vao mainka fandrehetana afo ataon’ny fitondrana eo anatrehan’ny efa fahasosorana politika samihafa ve ny fikasana hietraketraka amin’ny PAN izay tsy olonolom-poana fa mahalala zavatra maro mikasika ny politika sy ny raharaham-pirenena, indrindra niainga tamin’ny fanonganam-panjakana 2009 izay novakiany bantsilana fa nifono fitaka ary saritsarim-pahafahana sy fahantrana ny vokany ankehitriny?
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

  • Mbola mafana ny dosie Raholdina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Mifanipaka ny resaky ny PAN

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Talata 05 Mey 2026

Hanomboka anio ny

  • PAN-Raharaha Naivo Raholdina
  • Talata 05 Mey 2026

«Mbola tsy azo esorina ny

  • Fanenjehana
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

an-dRajoelina, Ntsay Christian,…

Hijery ny tohiny
FTT