Politique

Mikorontana ireo andrim-panjakana Misavorovoro ny ekipa, sahirana i Rajoelina


  • Alarobia 14 Desambra 2022

Mihalalina ny krizin’andrim-panjakana sy ny krizy politika, ankoatra ny tsy fahafehezan’ny Fanjakana ankehitriny ny lafiny toekarena, ny krizy ara-bola, ny olana sosialy,….

Sahirana tanteraka I Andry Rajoelina eo anatrehan’ny zava-misy satria tena efa tafiditra ao anatin’ny fikatsoan’ny fampandehanan-draharaham-panjakana rehefa tena zohiana. Izao no vokatry ny fitondrana azo tamin-kery (2009) sy ahiana ho tamin’ny halabato (2018), tena tsy mety mahita fitoniana, tsy marin-toerana, fa mitsingilaila sy krizy mandavan-taona,... Ny mpanohitra anefa tsy dia hoe maneho tanjaka be manozongozona na manelingelina, fa tena ilay Fanjakana mihitsy no tsy izy satria sady tsy ara-drariny fa no terena ho ara-dalàna fotsiny. Tsy fitoniana na “insabilité” avy ao anatiny mihitsy ny an’ity Fanjakana ity, izay efa tena mifanontsana sy manahy vary, hoy ny fitenenana. Tsy mbola fahita teto izany hoe: nofoanan’ny Antenimierampirenena ny fifanatrehana tamin’ny governemanta, kanefa voafaritry ny lalàmpanorenana. Hiandry ny olan’ny goverenemanta sy ny depiote hilamina izany vao handeha ny raharaham-pirenena? Ireny niaraha-naheno ireny akon’ny tao Tsimbazaza nandritra ny fandinihana ny lalàna momba ny zon’ny mpamorona, izay nisian’ny filazan’ny depiote fa aminy dia tahaka ny efa tsy misy ny governemanta ka tsy nomena fitenenana ireo iraky ny Minisiteran’ny serasera sy ny kolontsaina. Nihemotra hatramin’ny fihaonan’ny loholona sy ny governemanta noho ny toe-draharaha mafana, ankoatra ny olana niseho tao anatin’io andrim-panjakana io noho ny lafiny ara-bola ka nanaovan’ny mpiasa fampikatsoana. Efa tena ilay Fanjakana no miady an-trano, saingy tsy te ho ratsy ny Filoham-pirenena, ka dia nosarontsaronana ny raharaha, eny toa niditra tamin’ny fandikan-dalàna nanakana mivantana na ankolaka ilay fitsipaham-pitokisana. Henjana ny tsindrin’I Mahazoarivo amin’Ambohitsorohitra sy Iavoloha, toa manambana fa vao mikitikitika eo dia hirefotra ny afera maro, ary ho mpifaninana amin’ny 2023. Misy olona goavana voalaza fa ao an-damosin’ny Praiminisitra sy ny governemanta rahateo, hany ka toa tratry ny tsindry ny Filoham-pirenena hoe: alamino ny depiotenao.
VALIN’ADY SY FANAPOAHANA DOSIE
Tsy vita teo satria na foana aza ilay fitsipaham-pitokisana, toa miainga ny valin’ady avy amin’ny ankilany. Ireny nibaribary tamin’ny fahitalavi-pirenena TVM ireny ny ampamoaka momba ny raharaham-pitantanana ara-bola mampiahiahy ao amin’ny Antenimiera, depiote maromaro no toa nalefa niakatra nifanesy nanao ampamoaka fa tena misy fitantanana ara-bola ahiana ho misy afera maloto goavana, toy ny filazana fa 176 000 000Ar be izao ny resaka solika fotsiny ho an’ny Kestora voalohany. Tsy tongatonga ho azy ireny, ahiana ho tetikady politika avy any ivelan’ny Antenimiera hoenti-manakorontana ambony ambany io andrim-panjakana io ho valin’ady teo anatrehan’ny raharaha fitsipaham-pitokisana. Efa nandeha rahateo ny fifampiampangana satria ny ankilany namoaka telo pejy momba ny tsy fanarahan-dalàna, tsy fahatanterahan’ny Programa ankampoben’ny Fanjakana, afera, kolikoly, fahantrana mitombo, vidim-piaianana tsy voafehy,… Mbola misy depiote milaza ankilany fa hiakatra amin’ny lalina kokoa ny raharaha raha mbola misy finiavana hanembatsembana ny fitsipaham-pitokisana, ary mety ho tonga hatrany amin’ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana (HCC) ny afera, izany hoe: mety ho tafiditra anatin’ny raharaha ihany koa izany io. Ny ankilany kosa nilaza fa misy afera tsikaritra ao Tsimbazaza ka ny azy no nataony tonga aloha, tetibola 38 miliara Ar tafiakatra 79 miliara Ar kanefa betsaka ny afera tsy milamina,… Mitohy ny fifamelezana, saingy toa tsy mety voalamin’ny Filoha ny raharaha. Asa hoe: mbola to teny amin’ireo olony sy tena manana fahefana feno ve Atoa Andry Rajoelina sa tratry ny takalon’aina politika? Tsy eto an-toerana moa izy, fa andrasana indray izay hiseho aorian’ny fiverenenany.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politika
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Notendrena ho mpanolo-tsain’ny

  • Razafindrandriatsimaniry Dieudonné Marie Michel
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Fametrahana aty ifotony ny fitsinjarana

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

Hijery ny tohiny
FTT