Politique

Mikatso ny raharaham-pirenena sy ny sosialim-bahoaka “Mitady hanaotao foana ny fitondram-panjakana !”


  • Zoma 30 Aogositra 2019

Raha tsy misy politika dia tsy mandeha araka ny tokony ho izy ny fiainam-bahoaka, hoy ny mpanolotsaina eo anivon’ny Rodoben’ny mpanohitra ho an’ny demokrasia eto Madagasikara na RMDM,

 

 

 Gaby Vakiniadiana, raha naneho ny heviny mikasika ny fandroritana ny fandinihana ny sata mifehy ny mpanohitra. Mihinam-bary aza misy politika. Ny zava-misy dia mitady hanova ny lalàna nataony ihany ny fitondrana. Didy fampiharana ny lalàna efa misy sy fametrahana ny lehiben’ny mpanohitra anefa no andrasana aminy. Ny filoham-pirenena dia nilaza fa hanaja toy ny anakandriamaso ny lalàmpanorenana ary ao anatin’izany ny sata mifehy ny mpanohitra. Raha mikitika an’io ny filoham-pirenena dia manao izay hahajamba ny vahoaka satria mikitika ny anakandriamasony. Mikatso ankehitriny ny raharaham-pirenena sy ny sosialim-bahoaka fa mitady hanaotao foana ny fitondram-panjakana. Natao hiainana sy hampiasaina ny lalàna fototra fa tsy hitazonana seza, hoy hatrany izy.

J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • PRRM
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Randrianirina Michael

  • Randy Donny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

"Novetavetain'ny fanjanahana

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

Hijery ny tohiny
FTT