Mihazakazaka ny toe-draharaha

Nitsoaka i Rajoelina ? Niongana Ravalomanana…


  • Alatsinainy 13 Oktobra 2025

Mbola eto sa nitsoaka ivelan’ny Firenena ny

Filoha ankehitriny Andry Rajoelina? Niparitaka ny vaovao sy sary omaly, fa niainga tao Iavoloha omaly maraina ny angidimby iray, nipetraka tany Sainte. Vetivety teo tonga ny fiaramanidina CASA avy any La Réunion. Tsy nanana fahazoan-dalana hipetraka tao izy fa niditra antsokosoko ny habakabaky Madagasikara ? Niala avy eo ka nitodi-doha ho any La Reunion ilay fiaramanidina. Ilay angidimby toa tavela ao. I Andry Rajoelina no tao anatiny ? Tsy mbola nisy vaovao ofisialy mandiso na manamarina, fa raha ny ahiahy sy ny sary ary ny horonan-tsary niparitaka dia tena nisy angidimby toa ilay fampiasan’i Andry Rajoelina sy fiaramanidina voalaza fa naka olona? Efa niteraka resabe ny fiaramanidina raitra iray hafa izay mpitondra azy, izay malaza fa nitondra an’i Mamy Ravatomanga sy ny ankohonany, ny Praiminisitra teo aloha Ntsay Christian,… izay nihodikodina tany amin’ny manodidina an’i La Réunion ny alin’ny sabotsy, tsy tafiditra, ary niezaka nitady hevitra tao Maurice. Miparitaka ihany koa ny hoe : « misy “vol diplomatique” manokana natokana hitondrana entana miafina, nokarakarain'ny Fiadidiana ny Repoblika. Avy amin’ny fiaramanidina Boeing B737-800E an’ny Airmaster Airlines, ny 12 hatramin’ny 14 Oktobra 2025, ary adin'ny 6h50 dia tonga eto io Avion Cargo mahazaka 23,9 tonnes io. Nisy moa ny totomariky ny CAPSAT ny sabotsy maraina ny hisakanana ireo fiaramanidina mikasa hitsoaka ka asa izay fandehan’itony ? Omaly alahady 12 oktobra, namoaka ny pejin-tseraseran’ny Fiadidian’ny Repoblika nanao hoe : « manambara amin'ny vahoaka malagasy sy amin'ny vondrona iraisam-pirenena fa misy fikasana haka an-keriny ny fahefana amin'izao fotoana izao eto amin'ny tanin'ny Repoblika, ka manitsakitsaka tanteraka ny Lalàmpanorenana sy ny foto-kevitra ara-demokratika. ». Manameloka tanteraka ny ambaran’izy ireo fa fikasana hanakorontana ny firenena, ary miantso ny hery velona rehetra mba hiara-hientana hitandro ny filaminana sy ny fiandrianam-pirenena ny serasera natao. Tena mametraka ny firaisam-pirenena ve i Andry Rajoelina izay tonga hatramin’ny fampiadiana ny miaramila sy zandary nisiana fifampitifirana sy aina nafoy ? Nampanao habibiana ny zandary izay nanafaingana ny fitsimbadihan’ny rasa satria Malagasy mpiray tanindrazana hatramin’ny zazakely tsy manan-tsiny matin’ny lakrimozenina. Nihazakazaka ny toe-draharaha satria andaniny dia naongan’ny Birao maharitry ny antenimierandoholona ihany koa ny Jeneraly misotro ronono Ravalomanana Richard. Ity farany isan’ny mbola nanao tsindry bokotra ny 25 septambra niantombohan’ny hetsi-bahoaka nikasa ho eny Ambohijatovo. Niteraka fahasosorana ny voalaza fa mbola fisian’ny dian-tanana ao amin’ny zandary, ka isan’ny nampiaka-peo ny CAPSAT, ny Jeneraly Lylison avy amin’ny zandary,… Mihevitra ny ao Anosikely fa iray amin’ireo ao amin’izy ireo no hiakatra, ka hisolo an’i Andry Rajoelina, araka ny andininy faha-54 amin’ny lalàmpanorenana ? Hifanaraka amin’ny andrasan’ny vahoaka ? Andrasana ny sary mety hitranga…
Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Paul Rabary
  • Alarobia 22 Aprily 2026

«Apetraho dien’izao ny rafitra tsy mitanila!»

  • Minisitry ny Fitsarana
  • Alarobia 22 Aprily 2026

« Niray tetika tamin’i Kol.

  • Ny Antsa Rakotobe
  • Talata 21 Aprily 2026

«Fotoana hihainoana ny rehetra izao!»

  • ANTOKO FANOROLAHY-
  • Talata 21 Aprily 2026

FANAVAOZANA TENA IZY Ataovy aloha ny fifidianana

  • MADAGASIKARA (1991 – 2026)
  • Talata 21 Aprily 2026

Misy tsy mety ao matoa mikorontana isaky ny mihetsika

  • Hary Razafindrazaka
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

"Ireo MAPAR anaty fitondrana

Hijery ny tohiny
FTT