Mihava Tour tao Befandriana Avaratra

"Ampiharina eto amin'ny firenena ny politikan'ny kibo"


  • Talata 19 Septambra 2023

Hampihatra ny Politikan’ny kibo rahatrizay tonga eo amin'ny fitondrana i Siteny Randrianasoloniako , raha ny teniny tao Befandriana avaratra omaly.

Hampiharina izay hampisakafo ny Malagasy rehetra, maraina atoandro ary hariva amin’ny alalan’ny fitsinjaram-pahefana, hoy hatrany ny Kandida laharana faha 13. Miaina amin’ny fambolena sy fiompiana avokoa mantsy ny 80%n' ny vahoaka Malagasy ka orinasa mpamokatra zezika no hamboarina fa tsy laharam-pahamehana aloha ny fanamboarana kianja manarapenitra, hoy hatrany ny filohan’ny Pro Siteny. Ankoatra izay ny fanomezana vola 4 Miliara isaky ny kaominina hanaovana asa fampandrosoana sy hanomezana asa ny tanora raha ny nambaran’i Siteny hatrany.Na dia hariva aza ny andro, tsy niala ny mponin’i Befandriana avaratra, nihaino izay kabary nataon’i Siteny Randrianasoloniako. Nasongadiny fa nampijaliana sy nampahoriana ny vahoaka Malagasy tao anatin’ny 50 taona taorian’ny nitondran’ny Filoha teo aloha Philibert Tsiranana, satria tsy misy intsony ny fitsinjaram-pahefana ary tsy manana teti-bola manokana ho amin’izany ny eny ifotony, tsy azo ekena izany hoy izy.
TSY NIPAKA TANY AMIN'NY 80% N'NY MPONINA
Maro ny programa nataon’ny filoham-pirenena nifandimby teto Madagasikara saingy tsy nahatsapa fa ny 80% ny Malagasy tantsaha mpamboly sy mpiompy avokoa, izay tokony ho laharam-pahamehana, raha ny nambaran’i Siteny R. Ny rano tsy tonga amin’ny fambolena no tena olana tamin’ireo toerana rehetra notetezinay tamina faritra mato, hoy izy. Ankoatra ny fanamboarana toha-drano, hisy ihany koa ny fananganana orinasa hanao zezika ho an’ny tantsaha raha ny nambaran’i Siteny Randrianasoloniaiko tamin’ireo mponina tao Befandriana avaratra. Hiompana amin’ireo kaomina miisa 1698 manerana an’i Madagasikara ny laharam-pahamehana hametrahana ny politikan’ny kibo ankoatra ny famoronana asa ho an’ireo tanora hoy i Siteny Randrianasoloniaiko. Nohamafisiny hatrany moa ny maha zavadehibe ny firaisankinan'ny Malagasy.
Nangonin'i RTT
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

  • Mbola mafana ny dosie Raholdina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Mifanipaka ny resaky ny PAN

  • Antenimierampirenena
  • Alarobia 06 Mey 2026

Raharaha maro hodinihina anatin’ny 60 andro…

Hijery ny tohiny
FTT