Mihava Tour tany Vangaindrano

"Vao mainka fampahantrana vahoaka no nataon'io fitondrana io"


  • Alakamisy 28 Septambra 2023

Nahitsy toraka i Jean Jacques Rabenirina ary nanakiana mafy an-dRajoelina nandritra ny Mihava Tour tany

Vangaindrano omaly : tsy nahavita na inona na inona tao an-toerana ny fitondram-panjakana notarihin’io filoham-pirenena teo aloha io, hoy izy. Tsy misy fitsinjovana ny vahoaka fa vao mainka aza ny fampahantrana azy no natao ary mbola tian’ireo mpanohana io filoha teo aloha io ho tohizana hatramin’izao. Hanova ny tantara i Siteny Randrinasoloaniko ary efa manana ny politika hoentina amin’izany hoy i Jean Jacques Rabenirina. Tsy nanatrika ny hetsika tao Vangaindrano omaly moa i Siteny Randrianasoloniaiko ho firecracker amin’ireo kandida filoham-pirenena hitadiavana vahaolana amin’izao kion-dalana eto amin’ny firenena izao. Tsy nihambahamba ny vahoakan’i Vangaindrano nitaraina momba ireo marary azy androany tao anatin'izao Mihava Tour izao .Misedra olana mafy mantsy na ara-tsosialy na ara-toe-karena ny ao Vangaindrano raha ny fitarainana nataon’ireo mponina. Maro ny mpianatra tsy misy mitsinjo tao anatin’izay fitondrana teo aloha izay hoy reo tanora.Tsy ho atao ambanin-javatra io sehatra io ary efa tafiditra ao anatin’ny politikan’i Siteny Randrianasolonaiko hoy i Jean Jacques Rabenirina, Mpandrindra Nasionaly Pro Siteny.Ny olona mbola mifikitra amin’i Andry Rajoelina dia olona te hametraka an’i Vangaindrano ho mosary sy tsy an’asa. Tsy azo ekena intsony ny toy izany hoy izy. Fa anisan'ny tany an-toerana ihany koa ny avy ao amin'ny antoko PSD izay resy lahatra amin'ny kandida laharana faha 13 satria manome vahana ny politikan’ny Kibo dia ny vahoaka voky ka afaka mamokatra.
Nangonin'i RTT
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

  • PM Mamitiana Rajaonarison
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Vahaolana ara-tsosialy maro no

  • FANAVAOZANA NY REPOBLIKA
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Politika mampandroso no

  • 14 oktobra
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

Hijery ny tohiny
FTT