Mihari-Ni-Rencho

“Ny vahoaka mihitsy no hitroatra!”


  • Alarobia 10 Janoary 2024

Arahabaina ny filoham-pirenena fa tonga eo amin’ny toerany indray,

hoy ny antoko politika Natiora, ary irariana mba ho taona zina ho azy ity fe-potoam-piasany vaovao ity. Ho an’ny mpitondra fanjakana rehetra sy ny vahoaka malagasy manontolo koa dia irariana hoy toy izany, hoy ny filohan’ity antoko ity, Mihari-Ni-Rencho. Mirary fahombiazana sy fitahiana ary fahasoavana mirarakompana ho an’ny vahoaka malagasy. Mafy dia mafy tsinona no hiatrehany izao taona izao. Tsy misy miova hatreto ny filoham-pirenena sy praiminisitra. Kely ny herijika ilazana fa hiova ny governemanta. “On ne change pas une équipe qui gagne”, hoy ny fitenenana, na koa hoe tsy fanolo ny ekipa mandresy fa ity anefa ekipa tsy nandresy. Mpikamban’ny governemanta tsy sahy niatrika solombavambahoaka akory. Hiverina ny ankamaroan’ireo. Ny eo ihany no ho eo. Ho mafy dia mafy ho an’ny vahoaka ny fiatrehana ity taona ity ka tsy hisy hahasakana ny tontolon’ny natiora. Nandalo iny ny rivodoza dia efa ireny. Isika olombelona koa anaty tontolon’ny natiora. Tsy ho tana koa, noho izany, ny vahoaka satria ny vola miditra kely, ny fiainana miha midangana. Hafana ny fifanenjanan’ny vahoaka sy mpitondra ary ny mpitondra dia manana ny basiny sy mpitandro filaminana. Tsy maintsy hanao toy ireny tamin’ny depiote 73 ireny izany ny mpitondra eo anatrehan’ny vahoaka. Tsy ny mpanao politika intsony no hidina hanao fitakiana fa ny vahoaka mihitsy satria efa mipaika any am-bilanin’ny vahoaka ny tsy fisiana. Mandeha io ny filaharana jiro. Misy tsy mahazo. Misy manantena 300.000 Ariary ao. Ny fahefa-mividy mihena. Ny vidin’entana tsy maintsy hisondrotra satria miha maivana hatrany ny Ariary. Ny vahoaka mihitsy no hitroatra! Io izao dia mahagaga fa entana efa tonga elaela vao fantatra hoe hay ireto vary ireto efa potika. Tsy manao ny asany ve ny ao amin’ny fadin-tseranana sa iza loatra no tsy manao ny asany, hoy hatrany ny antoko politika Natiora?
J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

  • Mbola mafana ny dosie Raholdina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Mifanipaka ny resaky ny PAN

  • Antenimierampirenena
  • Alarobia 06 Mey 2026

Raharaha maro hodinihina anatin’ny 60 andro…

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Talata 05 Mey 2026

Hanomboka anio ny

  • PAN-Raharaha Naivo Raholdina
  • Talata 05 Mey 2026

«Mbola tsy azo esorina ny

Hijery ny tohiny
FTT