Mihari-Ni-Rencho

«Mandamina ny hetsika ataon’ny vahoaka no tokony ataon’ny tafika»


  • Alakamisy 23 Janoary 2025

Efa fantatra fa tsy omen’ny fitondràna ny fanoherana mihitsy ny maro an’isa tamin’ny fifidianana

kaominaly ary tsy omeny izany indrindra koa i Antananarivo renivohitra, hoy ny antoko politika Natiora. Efa fantatra koa, hoy ny filohan’ity antoko ity, Mihari-Ni-Rencho, fa hanao ny ataony izy satria ny fitaovana rehetra am-pelantanan’ny fitondràm-panjakàna. Mbola niezaka nandray anjara ihany, hoy izy, nefa izay nandray anjara. Manana ny heritreretiny izy. Hita taratra koa tamin’ilay nisy kandidà saika hitambatra. Midika izany fa nisy nifanarahana tao na misy mpanohitra iraisana. Izay no mahatonga ahy milaza hoe anton’ny tsy nandraisan’ireo antoko vaventy sasany tsy nandray anjara tamin’ireo fifidianana nandeha teo. Izay koa no mahatonga azy ireo tsy mihetsika amin’ny resaka valim-pifidianana satria tsy mikasika valim-pifidianana no antony hihetsehan’ireo fa resaka fitondràna tsy mandeha ara-dalàna eto Madagasikara no hihetsehan’ny fanoherana. Mitady marimaritra hatreto ny fanoherana. Mitady fanambarana hery. Iombonan’ny fanoherana rehetra ny fiaikena fa tsy mandeha ny fitantanana ny firenena. Fomba hanambarana hery tsy hitsitokotokoana sisa tadiavina. Ny vahoaka io raha hidina an-dalambe dia hitaky ny hamahana ny delestazy na rano tapaka na fidangan’ny vidim-piainana fa tsy hoe hanongana ny filoham-pirenena. Tokony hanampy azy izany ny tafika ary handamina izay hetsika ataony izay. Mandamina ny hetsika ataon’ny vahoaka no tokony ataon’ny tafika fa tsy mampihorohoro azy, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

  • Razafindrandriatsimaniry Marie
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Dieudonné Michel

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Ny Malagasy ihany no

  • Ben’ny tanàna Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

  • FITAKIANA IREO "ILES EPARSES"
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Velona indray ny fanantenana

Hijery ny tohiny
FTT