Nilaozan’olomanga ny antoko politika Natiora, hoy ny filoha nasionaliny, Mihari-Ni-Rencho, satria dia fantantsika fa andro vitsy lasa izay no nindaosin’ny fahafatesana ny filoha am-boninahitry ny antoko,
Radilofe Mamy Richard. Tsy mahakivy anay izany anefa, hoy izy. Manana ny fototra na “base” ny antoko. Raha resaka fifidianana filoham-pirenena dia averinay foana fa natao ho an’ny mpanao politika izany fa tsy ho an’ny mpanao asa soa. Izany hoe efa nanana antoko politika niforona tao anaty 10 taona fara fahakeliny. Olona mba mipetraka eto Madagasikara fa tsy hoe mandalo dia lasa dia mandalo dia lasa. Rehefa akaikikaiky ny fifidianana dia tonga izy dia rehefa tsy lany dia lasa indray. Lasa kilalao ilay firenena. Olona tokony manana zom-pirenena tokana dia malagasy no mahazo milatsaka. Tsy ilaina ny kandida mahaleotena. Raha ny zava-misy eto amin’ny firenena dia tsy tokony hiditra amin’ny fifidianana fa hiaina anaty filaminana aloha ny malagasy ary anaty fisitrahana feno ny zony, izany hoe, misakafo, mandry fahalemana. Tokony hanao ny asany amin’izany ny mpitandro filaminana izay lazaina foana hoe tsy ampy nefa rehefa mihetsika ny mpanohitra dia ampy, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.