Remaniement” na hoe fanitsiana governemanta no mipetraka ankehitriny amiko,
hoy ny filohan’ny antoko politika Natiora, Mihari-Ni-Rencho, satria tsy niova ny filoham-pirenena sy praiminisitra. Ny minisitra, hoy izy, dia ny teo ihany no navadibadika. Ny andrandraina dia mba samy ho tonga saina daholo satria fotoana izao ahafahana mitsinjo tokoa ny vahoaka malagasy manerana an’i Madagasikara fa tsy ny hoe any am-paosiko. Inoana fa mba hahay haka lesona ny mpitondra sy mpanao politika malagasy. Tsy maintsy hitavandra ireo vondrona iraisampirenena ireo foana ve isika? Isika ve dia ho tsy manana noho ry Mali, Niger, Burkina faso? Mino aho fa manana isika na fahalalana na harena. Naveriko hatrany fa tsy maha maika ary tsy laharam-pahamehana ny fifidianana. Tsy mbola nisy fifidianana teto ka nahavaha olana. Aoka tsy ho fitahana ny vahoaka! Mila miova ny saina, miova isika, miova i Madagasikara. Ara-drariny ny fitakiana nataon’ireo namana mpiara-mitolona tamin’ny taon-dasa izay mbola voasaringotra amina raharaham-pitsarana amin’izao fotoana izao. Mangataka ny hamoram-pon’ny mpitondra fanjakana, noho izany, mba hanafaka madiodio azy ireo! Isika rehetra no afaka mampandroso an’i Madagasikara fa tsy olona iray na roa. Tsy antoko iray na roa na telo. Mino sy manantena aho fa ho afaka madiodio daholo ireo olona voatonotonona ireo. Ho avy koa izao ny taom-baovao malagasy ka mino sy manantena aho satria andro fandroana, fidiovana izany, ka hidio daholo ny mpitondra rehetra, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.