Mihari-Ni-Rencho

Hilatsaka ben’ny tanànan’Antananarivo


  • Alarobia 14 Aogositra 2024

Rehefa nanao fivoriana izahay ny sabotsy 10 aogositra teo, hoy ny filohan’ny antoko politika Natiora,

Mihari-Ni-Rencho, dia hankalaza izany 15 taona nijoroan’ny antoko politika Natiora izany. Ny antoko dia mitàna hatrany ny fotokevitra hijoroany dia ny politikan’ny mahaolona sy ny fomba fijery afovoany, hoy izy. Eo koa ny filamatray hoe «Vahoaka misitraka feno ny zony». Anaty fanoherana izahay, izany hoe mpikambana anatin’ny RMDM na Rodoben’ny mpanohitra ho an’ny demokrasia eto Madagasikara, izay nankalaza ny faha 5 taonany teo, ary isan’ny mpanangana ihany koa ny HIFFIM na hetsika iombonana ho fanarenana sy fanorenana ifotony an’i Madagasikara. Filoha lefitra misahana ny faritanin’Antananarivo moa ny tena ao amin’ny HIFFIM. Amin’izay fankalazana ny faha 15 taona nisian’ny Natiora izay dia hanao lanonana eny amin’ny Espace Villa Tazana Alasora, Ambohitrandriananahary ny antoko. Eo ny jery todiky ny 15 taona lasa fa eo koa, amin’ny maha antoko ny antoko, dia tsy maintsy mandray anjara amin’ny fifidianana. Nandray anjara tamin’ny fifidianana solombavambahoaka 2019 sy ben’ny tanàna tamin’izany fotoana izany koa izahay. Ny 2018 moa izahay dia nanohana ny kandida ho filoham-pirenena, Radilofe Mamy Richard, izay filoham-boninahitry ny antoko Natiora. Tamin’ny fifidianana filoham-pirenena farany teo koa izahay dia nandatsaka an’i Lachapelle Tiana Andrianarisoa ho kandida amin’ny anaran’ny antoko Natiora kanefa moa noho ny antony, izay ny HCC no mahalala azy, dia tsy tafiditra tao anatin’ny kandida miisa 13 izy. Ankehitriny, rehefa nandinika sy nandalina ny fiainam-pirenena ary maneho hevitra mikasika izany hatrany ny antoko Natiora, dia tapaka ny hevitra fa handray anjara amin’ny fifidianana ben’ny tanàna eto Antananarivo renivohitra ny tenako. Hilatsaka ben’ny tanànan’Antananarivo izany ny tenako ary ny antoko Natiora dia efa ela no niomana. Izay angamba no fanomezana lehibe noho izao faha 15 taonan’ny antoko Natiora izao, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Fanenjehana
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

an-dRajoelina, Ntsay Christian,…

  • Nampahatsiahy ny
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

antoko politika Teza

  • Julien Andriamorasata
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

«Iankinan’ny fiainam-pirenena

  • Madagasikara-Frantsa
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Mihenjan-droa ny tady, miverina sarin’ny 2008…

  • ANTOKO PDS
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Handroso làlam-panorenana

  • Raharaha fanakorontanana,
  • Alarobia 29 Aprily 2026

diplaomasia mafampana…

Hijery ny tohiny
FTT