Miziriziry tsy hiala Rajoelina na any am-pandosirana aza
Na mbola tsy fantatra mazava aza ny toerana misy ny Filoha ankehitriny Andry Rajoelina, dia voalaza fa nanao fivoriana ampitain-davitra tamin’ny kabinetany ny marainan’ny 13 Oktobra, nanamafy fa mbola afaka mitondra fanjakana izy. Andaniny ny teny an-kianjan’ny 13 mey omaly, izay nitombo ireo sehatra maro be manamafy ny tolona, dia mitaky ny fialan’i Andry Rajoelina. Teo anatrehan’ny fampahafantarana fa hiteny amin’ny TVM i Andry Rajoelina omaly tamin’ny 7 ora hariva, dia fametraham-pialany sy ny governemanta sarintsariny sy fandravana ny Antenimierandoholona sarintsariny no andrasana amin'ny Filoha ankehitriny rahariva, hoy ny kabarin’i Baba Rakotoarisoa. Nanome baiko ny HCC mba hanafoana ny fifidianana 2023, fa raha tsy izany dia ho avy hanongotra ny Filohan'ny HCC ny vahoaka. Tsy nandeha tao amin’ny TVM ilay fandaharana, nolazain’ny pejin’ny Fiadidian’ny Repoblika fa mihemotra amin’ny 8ora alina. Raha ny fantatra, dia tonga teny an-toerana ny Miaramilan’ny CAPSAT, ka nanome baiko ny tsy handefasana azy, izay heverina fa tsy araka ny nandrasan’ny maro dia ny fametraham-pialana.
MBOLA SAIKA HILAZA FA TSY HAMETRA-PIALANA
Andaniny, nandritra ny faran’ny herinandro teo, voalaza fa nanao fifampiresahana tamin’ireo filoham-pirenena maromaro aty Afrika izy mba hahazoana antoka ny fanohanany. Ny marainan’ny omaly 13 Oktobra, voalaza raha ny tati-baovaon’ny Africa Intelligence, fa niantso fivoriana maika tamin’ny alalan’ny WhatsApp ny kabinetran’ny filoha. Nandray anjara tamin’izany ireo mpiara-miasa akaiky aminy. Nambara tamin’izany fa tsy hiala amin’ny toerany izy amin’ny kabary nokasaina hatao ny takariva, hoy hatrany io loharanom-baovao io. Tsy nilaza ny toerana misy azy, fa nanambara fa voatery nanao “fialana stratejika” izy noho ny filàna hiaro ny ainy sy ny an’ny fianakaviany. Manamarina ny maha tsy eto intsony azy io, araka ny vaovao niparitaka nanomboka ny takarin’ny 12 oktobra, namafisin’ny RFI, fa nentina tamin’ny fiaramanidina miaramila frantsay izy. Hatramin’ny 11 Oktobra, voalaza fa nijanona tao amin’ny Lapam-panjakana niaraka tamin’ny vadiny sy ny zanany telo izy i Andry Rajoelina. Voalaza fa nikasa hamaly ampahibemaso ny fiampangana mety hataon’ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana (HCC) mikasika ny “fialana amin’ny andraikitra” « abandon de poste ». Nandritra ny 48 ora farany, dia nifandray tamin’ireo filoham-pirenena afrikana maro izy, anisan’izany i Cyril Ramaphosa (Afrika Atsimo), Azali Assoumani (Komoro), Dharam Gokhool (Maorisy), ary João Lourenço (Angola), ka nilaza fa nanolo-kevitra handefa andian-tafika ireo fa nolaviny. Tsy nanao ary tsy mieritreritra ny hanao fialana amin’ny toerany, raha ny zava-misy. Nisy fifampiresahany tamin’ny filoha frantsay Emmanuel Macron ihany koa ny faran’ny herinandro, dia iny izy nalaina teto iny, taorian’ny didim-panjakana namotsorany ireo Frantsay roa nogadrainy tamin’ny raharaha « Apollo 21 ».
HIROSO AMIN’NY DINGANA FANONGANANA ARAKA NY LALANA…
Hatreto izany raha ny sary, dia karazan’ny nanala tena i Andry Rajoelina, izay azon’ny HCC atao ny manamarina na ny fahabangan-toerana, ka hahafana manala azy araka ny andininy faha-52 amin’ny lalàmpanorenana. Ny governemanta efa tsy ara-dalàna, tsy misy afatsy Praiminisitra 1 sy Minisitra 2 dia minisitra misahana ny filaminana sisa, kanefa efa tsy to teny amin’ny tafika intsony raha ny zava-misy. Banga tanteraka ny mpanatanteraka ! Ny depiote avy amin’ny fanorenana ihany koa miroso makany amin’ny fiantsoana ny depiote rehetra hanangon-tsonia ho fanonganana an-dRajoelina izay voafaritry ny andininy faha-131 amin’ny lalàmpanorenana, saingy mbola niziriziry ny IRMAR omaly. Mihamafy ny tsindry rehetra, tsy voafehin’ny Fanjakana Rajoelina intsony ny toe-draharaha ary izy aza efa lasa nandositra, tsy afa-miteny ao amin’ny TVM intsony, miray feo amin’ny tolona ny sehatra ara-panjakana rehetra, ny tafika, mpandraharahan’ny fonja, mpikirakira ny volam-panjakana, adminisitratera sivily, mpanabe, mpitsabo,…
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.