Mihamafy ny setrasetra politika

Malemy ny mpanohitra sa tsy te hirotaka ?


  • Alarobia 25 Septambra 2024

Misongadina amin’izao fifidianana ben’ny tanàna izao ny setrasetra politika samihafa,

tahaka ny efa niseho nialoha sy nandritra ary taorian’ny fifidianana filoham-pirenena farany teo. Toa efa voarefin’ny fitondrana ny fahalemen’ny fanoherana, ka raha miakatra ny azy ny daozin’ny setrasetra politika, dia toa malefaka hatrany kosa ny mpanohitra. Efa sary mpiseho eto ny ny famoretana, fangejana, fampiasan-kery hoenti-mamoritra, indrindra amin’ny vanim-potoanan’ny fifidianana tahaka izao. Atao ny fomba rehetra hifehezana sy hanalemana ny fanoherana, toy ny efa natao nialohan’ny fifidianana filoham-pirenena ny taona 2023 namoahana didim-panjakana mandrara ny fahafahana manao famoriam-bahoaka ara-politika. Somary miakatra ny lentany, ka io tonga amin’ny fanakanana ankolaka na mivantana ireo kandida mety atahorana toy ny mitranga eto Antananarivo, Antsiranana, Mahajanga,… Mandeha ny fampiasana ireo rafitra ara-panjakana samihafa hamelezana ny mpifanina. Malemy ve ny fanoherana eo anatrehan’ireny rehetra ireny ka ny fandre matetika dia ny hoe : tsy hanaiky hatramin’ny farany, hiady hatramin’ny farany, hijoro,… saingy mijanona ho fanambarana amin’ny ankampobeny fa tsy hita izay tena vokatra. Betsaka anefa no milaza fa rotaka sy fampiasan-kery no nahatongavan’ny mpitondra ankehitriny teo ka izay ihany koa vao hahafaka azy ireo eo ? Na malemy tokoa ny fanoherana na mandeha ny fametrahana ambony mizana hoe : raha tena hirotaka dia inona no ho fiantraikany ? Mbola hitarika vahoaka hotetehana halatsa-dra eny ambony ankalana ve ? Mbola hifanagadra sy hifanenjika eto ? Mbola hikorontana ambony ambany dia hiainga any amin’ny aotra indray ny Firenena ? Mbola zakan’ny vahoaka izay efa tena ao anaty fahantrana mandifotr’olona ve ny krizy ? Vokany, lasa manaiky ny zava-drehetra mitranga, fa menomenona no betsaka. Vao mainka ihany koa mampitombo ny hadisoana sy fandikan-dalàna ataon’ny fitondrana misy. Vao mainka mitombo ny fahasahiana ka ny mpitondra ankehitriny na adihevitra aza ny resaka fanariany ny zom-pirenena tamin’ny fakana zom-pirenena vahiny dia afaka mampiasa ireo rafitra samihafa hiaro azy, fa ny mpanao politika nirotsaka tamin’ity fifidianana ity nosahiraniny tamin’ny fakana io antontan-taratasy io. Rehefa nivoaka ireo kandidany, dia nohamorainy indray ka tsy ilaina ilay taratasy momba ny zom-pirenena. Tsy takona hafenina ny fampiasana ireo rafitra ara-panjakana samihafa toy ny Fitsarana, ny sampan-draharahan’ny hetra,… hamelezana sy handetehana ireo tsy iray loko politika. Tapi-dalan-kaleha ve ny rehetra ka manaiky tsy fidiny ?
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Fanenjehana
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

an-dRajoelina, Ntsay Christian,…

  • Nampahatsiahy ny
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

antoko politika Teza

  • Julien Andriamorasata
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

«Iankinan’ny fiainam-pirenena

  • Madagasikara-Frantsa
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Mihenjan-droa ny tady, miverina sarin’ny 2008…

  • ANTOKO PDS
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Handroso làlam-panorenana

  • Raharaha fanakorontanana,
  • Alarobia 29 Aprily 2026

diplaomasia mafampana…

Hijery ny tohiny
FTT