Mihamafy ny fampiasan-kerin’ny Fanjakana

1 naratra mafin’ny lakrimozenina, 1 nosamborina


  • Alarobia 30 Oktobra 2024

Mitohy ny fitokonana sy fidinana an-dalambe amin’ny tanàna sy fokontany maro eto Antananarivo sy ny manodidina

vokatry ny fahatezerana ateraky ny fahatapan-jiro sy rano mandavan-taona. Ny tetsy Ambohibao indray no nihetsika omaly takariva, ka raikitra ny fandorana kodiarana sy ny horakoraka teny an’arabe. « Mila rano izahay ! Mila rano o ! », hoy ny horakoraky ny vahoaka. Efa nihantrana nialoha teny an-toerana ny mpitandro ny filaminana, ka raikitra ny fandravana sy ny daroka baomba mandatsara-dranomaso. Vokany, olona iray izay no voasambotra. Nisy lehilahy iray ihany koa naratra mafy voa teo amin’ny masony. Nilaza fa tsy isan’ireo nitokona fa nandalo, saingy naratra be nipoahan’ny lakrimozenina ny masony, nijininika ny ra, tsy nahita intsony ny maso ilany,… Mijaly ny vahoaka, famonoana anay izao, fa mininona ny vahoaka no tsy havela hiteny, fa izahay tsy maintsy miteny rehefa tsy mety ny ataonareo,… hoy ireo olona. Mihamafy izany aloha ny hetsika fandravana sy fifehezana ny fitokonana fanehoan’ny vahoaka ny hatezerany, fa ny vahaolana kosa mbola lavitry ny kitay ny afo. Any amin’ny famoretana sy fampanginana vahoaka amin’ny alalan’ny herisetra no himasoana kokoa noho ny famahana olana ! Asa mandra-pahoviana no hahomby io ? Tsy tsapan’ny fitondrana ve fa na eo aza ny fihezahana hifehy ny toe-draharaha amin’ny fampiasan-kery dia tsy mampihemotra ny olona satria nialoha an’izao dia efa nisy ny fisamborana olona 10 teny Ambohipo ka nampidirana am-ponja ny 4 tena dia mbola maro ireo tanàna niroso tamin’ny fihetsiketsehana ? Ho tahaka izao foana ve no hiainana ao anatin’ny 5 taona ? Moa tena tsy azo vahana ve ny olana sa efa tena latsaka tanteraka ao anaty ziogan’ny tsy fahaiza-mitantana sy ny tsy fahafehezana ny laharam-pahamehana ny mpitondra, ka lasa fifehezana sy fitantanana krizy sisa no programan’asam-panjakana eto ? Aiza ireo solombavambahoaka sy mpanao lalàna sa mbola variana miady ny tombotsoa mihoampampana ?
Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Alain Mahavimbina
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

« Aza mifanilika, ilaina ny tanora,

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

  • Razafindrandriatsimaniry Marie
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Dieudonné Michel

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Ny Malagasy ihany no

  • Ben’ny tanàna Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

Hijery ny tohiny
FTT