Miha rendrika i Madagasikara

Fitantanana amboletra no atao eto !


  • Zoma 24 Novambra 2023

Tsy iadian-kevitra intso ny kosa angamba fa tena anaty krizy ny firenena.

Rahonana sy gadraina ny sendikalista sy ny mpampianatra, tsy avela maneho hevitra ny olom-pirenena efa fantatra fa olon’ny filaminana tsy tia gidragidra, mampiseho hery isan’andro ny mpitandro filaminana kanefa any ambanivolo miady irery amin’ny malaso ny fokonolona. Raikitra ny hoe fanafihana, andro atoandro be nanahary, eny amina toerana misy manamboninahitra, diplaomaty sy lehibena andrimpanjakana, fiaram-panjakana tsy misy laharana no hita eny miaraka amina 5 lahy rotiky ny bala, lazaina fa jiolahy. Mitombo ny tsy fandriampahalemana an-tanan-dehibe sy any ambanivohitra, mitombo tahaka izany ihany koa ny fahasahiranan’ny isan-tokantrano, mbola ampian’ny aretina hafahafa izany rehetra izany. Tena sahirana ny firenena, sahirana ny Malagasy .
MAMPISEHO HERY
Etsy ankilan’izay anefa dia mampiseho hery sy manampatra fahefana ny mpitondra fanjakana, tsy te hahalala ny hafa ary tahaka ny mbola any an-kibon’ny omby aloha hatreto ny hoe fihaonana sy fifampiresahana. Tsy misy lalana hafa ankoatr’izay anefa raha tena hitady vahaolana mahomby sy maharitra ho an’ny firenena. Raha mbola fanenjehana, fisamborana, fanaovana ramatahora sy antsojay no misy dia ho sarotra izany hoe madaasikara tsy maintsy mandroso izany. Tokony mahatonga sana ny fahabetsahan’ny olom-pirenena tsy tonga nifidy, efa fanehoana fahasosorana, fanehoan-kevitra ireny …Misy zavatra tsy mety, misy zavatra tsy milamina izany ao amin’ny fiainam-piarahamonina ao. Fomba fanao ny mampiasa hery rehefa tsy manan-kevitra intsony handresen-dahatra ny hafa, ary ny tena zava-doza dia ny fiheverana foana ny hafa fa adala sy ny fanandratan-tena ho mahay ny zava-drehetra. Mikorisa mankany amin’ny didy jadona i Madagasikara, ary miha mahazo laka ny fahasahiranana.Samy ho taraiky eto raha miziriziry fa ilaina ny fifampiresahana.
RTT
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

  • Mbola mafana ny dosie Raholdina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Mifanipaka ny resaky ny PAN

  • Antenimierampirenena
  • Alarobia 06 Mey 2026

Raharaha maro hodinihina anatin’ny 60 andro…

Hijery ny tohiny
FTT