Politique

Miha marefo ny Fanjakana Mirongatraka ny fitakiana sendikaly


  • Alatsinainy 19 Septambra 2022

Endrika manamafy ny krizy eto amin’ny tany sy ny Fanjakana ny fisian’ny fitakiana amin’ny endriny maro, na milaza aza ny Fanjakana tamin’ny alalan’ny filoha sy ny mpiara-miasa aminy fa tsy misy krizy eto.

Misy zavatra tsy mandeha, endriky ny faharefoan’ny fanjakana sy ny raharaham-panjakana ny fitakiana sendikaly marolafy fa tsy iray hita taratra amin’izao fotoana izao. Porofo miharihary fa tsy voafehy intsony ny fitantanan-draharaham-panjakana, tsy voasoroka ny krizy, fa politikan’ny famonoana afo sisa ampiharina eto. Ny eo anivon’ny Fitsarana dia niaraha-naheno ny fanambarana nataon’ny SMM (Sendikan’ny Mpisara eto Madagasikara) sy ny Sendikan’ny Mpiraki-draharahan’ny Fitsarana izay niombo-peo nampiato ny hetsika fanomezana kopia sy karapanondro faobe na efa ny 01 septambra 2022 aza no natomboka ofisialy tany Manakara izany. Na nisy aza ny fandraisan’ny Fanjakana fanapahan-kevitra tao anatin’ny Filankevitry ny minisitra ny alarobia 14 septambra 2022 teo fa homena tambin-karama ireo rehetra mandray anjara amin’io miisa 29805 dia midingin-drambo ny sendikan’ny mpiraki-draharaha fa tsy mampihetsi-bolomaso azy ireo izany, ary mitohy ny fitakiany momba ny fijerena ny satan’izy ireo tsy noraharahiana nanomboka tany amin’ny 2012 taonan’ny tetezamita. Ny Sendika eo anivon’ny Minisiteran’ny fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa ihany koa io fa miditra amin’ny fitokonana faobe eo anatrehan’ny tsy fahazoana valiny mikasika ny “indemnité de technicité”, izay basy sy lakrimozenina no niandry azy ireo tetsy Fiadanana ny herinandro teo. Io ihany koa ny mpiasam-pirenena misotro ronono, fa manangam-bovona mitaky ny fampiharana ny didim-pitsarana momba ny tambim-pandehanana misotro ronono izay nofoanan’ny Fanjakana saingy nahazoan’ireo mpiasa rariny teny amin’ny fitsarana rehefa nanao fanoherana izy ireo. Ny eo anivon’ny APMF (Agence Portuaire Maritime et Fluviale) mangotraka ny adin’ny mpitantana sy ny sendika,… Ny ara-tsendikaly ireny, fa maro ny sehatra feno fitakiana, toy ny teo anivon’ny Ivon-toeram-pirenena momba ny antontan’isa (INSTAT), nisy ihany koa ny fitakian’ireo mpiasa tsy raikitra mba hitovy tombotsoa amin’ny mpiasa raikitra noho ny asa mitovy atao ary manatombo aza ny azy ireo. Ny Orinasa SECREN niaraha-nahita ny fitakiana, niafara tamin’ny fanaovana “SOS” ny mpiasa. Ny orinasa mpikojakoja làlana efa an-taonany tsy voaloa vola, ny fitaterana an-dalamby mikatso ny FCE noho ny karama efa tapa-taona mahery tsy voaray, ny mpandanja fiara migrevy satria tapa-taona ihany koa tsy nandray karama, hany ka mandeha ny gaboraraka, potika ny làlana,… Ampahany ireny, fa ny fehiny dia tototry ny fitakiana ny Fanjakana, tsy mahavaha olana, efa malemy saingy miezaka manao don-tandroka hanakonana izany.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

Hijery ny tohiny
FTT