Miha mangotraka ny toe-draharaha

Mahatsiaro ho tandindonin-doza ny mpitondra…


  • Alakamisy 16 Janoary 2025

Mandeha be ny resaka efa ho andro vitsy izao fa miatrana an-dakazerina avokoa ny foloalindahy.

Dia nifanontany tena ny mpanara-baovao , ireo olom-pirenena miresaka etsy sy eroa hoe fa misy inona e ? Ilay rivodoza ve sa ilay famoahana ny voka-pifidianana ofisialy ve ? Ilay manamboninahitra jeneraly misotro ronono efa nanindry bokotra ampahibemaso nilaza fa tsy mahavita manongam-panjakana izany ny mpanohitra satria tsy ampy hery. Kisendrasendra ve ireny sa efa karazana don-dandroka ara-politika mba hampifitsaka ny rehetra ? Ka inona ary no antony maha tonga ny fikorapahana sy fanambarana etsy sy eroa, ka ampitenenina avokoa ny etamazaoro politikan’ny Fanjakana sy ireo tompon’andraikitra ambony samihafa ? Tena mahalasa saina tokoa ireo karazana fanambarana sy fanehoan-kevitra nifanesisesy tato anatin’ny herinandro izao, inona no tena maha maika ohatra nanaovana fanambarana andro sabotsy. Tsy mahazo antoka ny hery ananany indray angaha ireo mpomba ny fitondrana, efa sahy nihirahira hoe antsika ny tanàna,… Ny valala misy ny mpilaza mahay, saingy tsy azo hamaivanina sy hodian-tsy hita ireny rehetra ireny. Isan’ny niteraka adihevitra iny resaka tafika sy foloalindahy iny izay voatery niditra an-tsehatra nitondra fandisoana samihafa ny Minisitry ny fiarovam-pirenena, ary naneho fa milamina sy tsy misy atahorana ao, fa tsaho sy fanakorontanana no betsaka. Ireny ny fanambarana sokajiana ofisialy, dia raisina, saingy tsy mahasakana ny adihevitra sy ny ahiahy samihafa. Tsy finiavana hanakorontana saim-bahoaka fa tena misy ny ambana ara-politika, ara-tsosialy, ara-toekarena,… izay tsy azo hamaivanina, ary ny mpitondra aza tsapa sy tsikaritra fa manana fanahiana sy mahatsiaro ho mihozongozona, ka miezaka manamafy seza amin’ny fomba maro. Tena mampiharihary sy mampiseho fa misy ny ambana ara-politika, misy tsy matoky tena, ka toa lasa misy endrik’ilay fomba fiteny hoe : « tsy hery fa tahotra ». Ilaina ve ny filazana sy fanambarana etsy sy eroa hoe : aoka ho tony, tsy mila korontana, efa miasa sy mamaha olana ny Fanjakana,… raha tena mahatsiaro ho marin-toerana ny mpitondra ? Dia ireny toa nezahana nampidirana ny miaramila sy ny tafika ireny ny resaka, ka nolazaina fa ny mpanohitra indray no mihantsy ny manam-basy, kanefa iray sy iray ara-politika eo amin’ny mpitondra sy mpanohitra no misy mangataka. Iza izany no mety manana eritreritra hampiady ny vahoaka amin’ny foloalindahy ?
Toky R

 


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Fanenjehana
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

an-dRajoelina, Ntsay Christian,…

  • Nampahatsiahy ny
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

antoko politika Teza

  • Julien Andriamorasata
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

«Iankinan’ny fiainam-pirenena

  • Madagasikara-Frantsa
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Mihenjan-droa ny tady, miverina sarin’ny 2008…

  • ANTOKO PDS
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Handroso làlam-panorenana

  • Raharaha fanakorontanana,
  • Alarobia 29 Aprily 2026

diplaomasia mafampana…

Hijery ny tohiny
FTT