Politique

Miha mahazo aina ary tsy mitsaha-mivoatra ny hetsiky ny zanak’i Dada ao Mahajanga.


  • Alatsinainy 17 Oktobra 2011


 Raha tany anaty ala manga izany teo aloha, dia efa niditra ao amin’ny kianjan’ny Magro ao afovoan-tanàna, ao Mahajanga Be izany ankehitriny. Raha isaky ny sabotsy ny hetsika taloha dia efa in-droa isan-kerinandro, ny alarobia sy sabotsy izany nanomboka tamin’ny herinandro lasa iny. Midika io fa dodona ny hifaranan’ny krizy ny olona. Fifaranan’ny krizy izay midika amin’izy ireo fa fiverenan’ny filoha Marc Ravalomanana an-tanindrazana, tsy misy fepetra.

Raha ny loko tazana tao amin’ny Magro ny sabotsy 15 oktobra teo dia toa efa mitory izany, satria dia nanjaka ny loko manga sy fotsy ary maitso, ankoatra ny fanamiana mitovy nisaloran’ny mpitolona tamin’io andro io. Hetsika tafiditra amin’ny fanomanana ny fiverenan’i Dada rahateo ity. Nisy tamin’io fotoana io ny fanazavana ny votoatin’ny fifanarahana nosoniavin’ireo vondrona politika malagasy, teo anatrehan’ny iraky ny Troika, amin’ny fampiharana ny tondrozotra, nataon’ireo nifandimby nandray fitenenana na ny tao an-toerana na ireo niditra nivantana an-tariby avy aty Antananarivo.

Nangonin’i Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

  • ZAZA RAMANDIMBIARISON
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Tsy tokony ho tara ny

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

Hijery ny tohiny
FTT