Miha liana amin’ny

politika ny malagasy


  • Zoma 28 Novambra 2025

Filaharam-be ny nanatitra dosie ho lehiben’ny faritra

Filaharam-be, raha ny hita omaly tetsy amin’ny minisiteran’ny atitany etsy Anosy, ny nanatitra dosie ho lehiben’ny faritra na «Chef de région» eto Madagasikara. Tondro iray heverina ho maneho izany fa miha liana amin’ny politika ny malagasy amin’izao fotoana izao. Maro, araka izany, raha ny hita teto ireo miha resy lahatra fa natao ho an’ny olompirenena rehetra ny atao hoe politika na haifitantanana fiarahamonina, hoy ny famaritana grika izay. Heverina ihany koa fa isan’ny fanovàna nipaka tany amin’ny toetsain’ireo olompirenena ny tranga tahaka izao. Fanovàna izay niandoha tamin’ny hetsiky ny olompirenena tsy an-kanavaka ny 25 septambra 2025. Fotoana iray nahitàna sokajin’olona na olompirenena avy amina sehatra samihafa, izay tsy voatery ho mpanao politika, nandray anjara tamin’ny fanavotana ny firenena, tanindrazana, taranaka tamin’ny alalana tolona neverin’izy ireo fa mety hitondra izao firenena izao ho any amin’ny fahafahana tanteraka eo ambany vahohon’ireo mpanao ampihimamba eto amin’ity firenena ity. mpisarika an-tambazotran-tserasera na «influenceur», mpampaneno lakolosy na «lanceur d’alerte», fiarahamonim-pirenena, tanora ankehitriny na Gen Z, mpanao politika, mpandraharaha, mpanakanto, tsy nanavahana fa rehefa nety ho olompirenena dia nidina teny amin’izany nantsoina hoe kianjam-pitolomana izany avokoa nanomboka an’iny 25 septambra iny. Samy mirary moa izany eto izany olompirenena isan-tsokajiny avy izany fa tsy hivadika sanatria ny tolona nimatimatesan’izy ireo.
J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

  • Razafindrandriatsimaniry Marie
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Dieudonné Michel

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Ny Malagasy ihany no

  • Ben’ny tanàna Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

  • FITAKIANA IREO "ILES EPARSES"
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Velona indray ny fanantenana

Hijery ny tohiny
FTT