Miha mifanenjika amin'izao fotoana izao i
reo mpanohana ny fitondrana Rajoelina tao aorian'ny fitondran'ity farany. Raikitra ny ampamoaka. Olona mahitsy aho eo anivon' ny fiarahamonina, hoy ny sefo fokontany ao Anosizato Est 1, Jean Nirina Rafanomezantsoa. Tsy manana olana na amin' iza na amin'iza aho, hoy izy. Herintaona no naha sefo fokontany ahy. Efa in-telo aho no nanao fivorimbem-pokonolona, izay sahiko ny milaza fa izaho irery no sefo fokontany sahy nanao izany. Vondrona miisa roa no manenjika ahy noho ny fialonana, dia ny depiote Rafidimanana Désiré, mitarika TMH, sy fikambanana Maintimaintin-dreniny tarihin'ny depiote Rossy. Sakay sy maso tompoko izaho sy depiote Rafidimanana Désiré sy ny fikambanana TMH. In-telo no efa nanala sy namorona dosie tamiko tsy ho sefo fokontany izy, izay hisaorako manokana ny prefen' Antananarivo Renivohitra fa nanda ny fanesorana ahy. Ny olana goavana tena tsy zakan'ny depiote Rafidimanana Désiré tamiko dia naharesy azy tamin'ny fifidianana depiote teto amin'ny fokontany izay iadidiako. Tsy nandray baiko ary tsy nety nobaikon' ny tamin' ingahy depiote aho nandritra ny maha sefo fokontany ahy. Misy sefo fokontany miisa 12 hafa niaraka tamiko, amin' ireo sefo fokontany miisa 32, fa ny hafa dia nanenjika sy nanaratsy ahy. Nahazo vahana be ny fanaratsiana ahy teto amin'ny Facebook satria dia nanenjika ahy ny ekipan'ny TMH sy ny ekipan'i Rossy. Izaho kosa eto amin'ny fokontany misy ahy dia miaraka amin'ny fokonolona sy mamim-bahoaka ary nanenjika ny hatao hoe fokontany "pilote" na filamatra. Mahatsapa ny zava-bitako ny fokonolona. Miavaka ny fokontany Anosizato Est 1, maro ny zavatra vita, tena niasa andro, niasa alina aho nanenjika ny fokontany "pilote" na filamatra, hoy hatrany ny tenany. Etsy ankilany dia manome fantsy matetika ireo mpanohana ny fitondrana teo aloha tsy hita popoaka na dia haneho hevitra fiarovana izany Andry Rajoelina izany fotsiny koa ireo tandapa teo aloha toy ny tomponandraikitry ny iraka teo anivon'ny fiadidiana ny repoblika, Soalihy Moussa, sy ny isany efa tomponandraikitry ny serasera teo anivon'izany, Rinah Rakotomanga.
Nangonin'i J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.