Mifamoaka dosie goavana ny olon’ny Fitondrana

« Tetika maloto efa nomanin’ny Minisitry ny fitaterana io »


  • Alatsinainy 28 Jolay 2025

Nanao fanambarana mahery vaika miampanga ny Minisitry ny fitaterana Valery Ramonjavelo i Rinah

Rakotomanga, filohan'ny filankevi-pitantanan'ny Madagascar Airlines teo aloha, manoloana ny raharaha momba ny aferana fiaramanidina mampiahiahy, mahasaringotra an’i Madagasikara. Nanontany mivantana ny antony nanerena ny Aviation Civile de Madagascar (ACM) hanome taratasy fanamarinana vonjimaika (CIP sy CDN provisoire) ho an'ireo fiaramanidina dimy. « Maninona no noterenao ny ACM hanome ireo CIP sy CDN provisoire ireo? Nanaovanao fika maloto ilay raha izay namendrofendroanao sy ny ekipanao nilazanao fa ho an'i Airmad ireo fiaramanidina dimy ireo, fa kay efa tetika voaomana fa nalefa any Iran ireo fiaramanidina dimy ireo. », hoy i Rina Rakotomanga. Nolazaina fa ho an'ny Air Madgascar, nefa taty aoriana dia nalefa tany Iran. Nambarany fa tsy ara-dalàna izany, satria ny CTA (Certificat de Transport Aérien) dia efa tsy manan-kery intsony, ary tsy azo atao ny mamerina miasa amin'ny fomba ofisialy raha tsy voaloa ny trosan'ny orinasa Air Madagascar, izay efa napetraka eo ambany fitantanan’ny Fitsarana. « Ary ny tena loza dia efa nisy mpiasa nampanantenainareo tamin’izany fa hovelominao i Airmad izay sous redressement judiciaire, ary saika hanaovanao forcing fotsiny ny hampandehanana azy indray. Nefa ny CTA aza efa tsy valable intsony, ary tsy azo atao izany raha tsy mazava ny fanefana ilay trosa satria sady tsy ara dàlana no mandika lalàna no mamitaka ireo tompon-trosa », hoy i Rinah Rakoromanga. Nambarany, fa mikasa ny hanao « détournement d’actif » na fanodinkodinana petra-bola ity Minisitra ity sy ny ekipany, ka hafindra any amin’i Madagascar Airlines ny fananan’i Airmad rehetra. « Dia nofitahinao sy ny ekipanao miaraka amin’ilay Tale Jeneraly vahiny io avokoa ny rehetra, satria mamy be angamba ilay 3V », hoy hatrany I Rinah Rakotomanga.
NANAITRA AN’I ANDRY RAJOELINA SY NTSAY CHRISTIAN…
Nanao antso mivantana tamin'ny Filoha ankehitriny Andry Rajoelina sy ny Praiminisitra Christian Ntsay i Rakotomanga, nangataka fanazavana sy fandraisana andraikitra amin'ny ambarany fa fanadiovana ny fitantanana sy ny fanarenana ny fahatokisan'ny vahoaka. Nambarany fa vizana ny vahoaka amin'ny fitiavam-bola tafahoatra sy ny famahanan-dalitra ataon'ny mpitondra, izay mandetika ny firenena. « Rehefa hanitrikitrika ahy sy hanenjika ahy mikasika an’i Madagascar Airlines ianao sy ny ekipanao hatrany amin’ny Banky Iraisam-pirenena mahay miteny sy manoratra, fa ankehitriny, omeo valiny ny vahoaka Malagasy hoe maninona no ampidirina kizo amin’ity aferanao ity ny firenena Malagasy, izay tsy mirona amin’izay rehetra ary manaja ny fenitra iraisam-pirenena.Efa miezaka be ny diplomasia Malagasy fa io fitiavam-bola diso tafahoatra anareo io no mamarina ankady ny firenena. Dia miandry ny fanazavanao izahay ary miantso anao aho Atoa Filoha Andry Rajoelina sy Atoa Praiminisitra Christian Ntsay. Diovy ny tokotany sy ny trano, fa vizana ny vahoaka amin’ity fitiavambola diso tafahoatra sy famahanan-dalitra izay ataonareo ity, izay mandetika ny firenena, hoy i Rinah Rakotomanga. Na ny samy mpanohana ny Fitondrana aza izany ity efa mifampiampanga sy mifamoaka dosie ka ho tonga hatraiza ny famoahana ny marina ? Mbola holazaina fa fanakorontanana Firenena na dia ny olon’ny Fitondrana izao aza no efa manapotsitra ny heverina fa afera maloto goavana ? Inona no mety ho setriny sy valy bontan’ny andaniny ? Hivoaka ve ny marina sa hosarontsaronana indray ?
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Anthelme Ramparany
  • Zoma 24 Aprily 2026

"Halaviro ny fampizarazarana

  • FITONDRANA ETO MADAGASIKARA
  • Zoma 24 Aprily 2026

Matetika misy poizina manodidina ny Filoha...

  • Fikaonan-doham-pirenena
  • Zoma 24 Aprily 2026

Haroso amin'ny volana May

  • Hary Razafindrazaka
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

«Manameloka ny fisamborana tanora

  • Afera fifofoana ny ain’ny Filoha
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

Nivoaka ny anaran’ireo olona 11 any am-ponja…

  • Gérard Ramamimampionona
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

«Ohatrany samy lasa manana ny Gen Z-ny!»

Hijery ny tohiny
FTT