Politique

Mifafa ny kihony daholo


  • Alarobia 16 Novambra 2011

Izany tokoa ry Jean no atao hoe Gasy ka miandry ! Andrasana indray izany ireo hotendrena ho minisitra.

 Ireo niala teo amin’ny toerany moa dia mandrovi-tsihy etsy sy eroa. Dia ahoana tokoa moa izany ry Jean no hanohizan’ireo vaovao ny asa eny amin’ny ministera ? Hamantana kitapom-bola foana, ireo asa maloto rehetra navelan’ireo nodimbiasana fa tsy nahavita azy. Ho henjana ny raharaha. Mino kosa aho ry Jean fa tsy hiandrasanareo ny vahiny koa ny fanadiovana sy ny fametrahana mazava ny zava-nisy marina tamin’ny fitantanana ireo ministera rehetra an ! Fa ankoatra izay ry Jean dia mahalasa ny saiko koa ny hoe lasa aiza daholo tokoa ireo lazaina fa “mora” rehetra ? Ny tsena, ny vary, ny fitaovam-pianarana, ny trano… Toa “lafo” daholo manko ireo rehetra ireo ankehitriny ary dia tonga amin’ny fitenin’ny tanora hoe mifafa ny kihony daholo ny rehetra. Na tsy fandriampahalemana, na tsy fananana asa, na sakafo ambany foitra dia zakaina daholo amin’izao. Tsy misy an-kitaraina intsony fa dia mihafy eo satria izay ilay atao hoe valin’ny natao. Loza loatra, fiovana ho amin’ny tsara no revirevy kanefa dia zary lasa nofy ratsy. Revin-gadra tokoa e ! Asa hoe hiposaka ihany ve ny maraina sa akory fa raha ny hatreto aloha dia mbola lavitry ny afo ny kitay.
Marco

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

  • ZAZA RAMANDIMBIARISON
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Tsy tokony ho tara ny

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

Hijery ny tohiny
FTT