Politique

Miezaka mandresy lahatra ny CENI “Manara-penitra fitiliana ny rindram-baiko sy lisitra”


  • Talata 21 Martsa 2023

Mialohan’ny famaranana vonjimaika ny lisitry ny mpifidy ny 10 aprily ho avy izao, manatanteraka fitiliana ny lisitry ny mpifidy na “audit du fichier électoral”

narafitry ny CENI ny Vondrona iraisam-pirenena ho an'ny tany mampiasa manontolo na ampahany ny fiteny frantsay (OIF) nanomboka omaly hatramin’ny 23 martsa izao. Nasaina manokana ireo teknisianina sy ireo solontena avy amin’ny antoko politika sy ny firaisamonim-pirenena (OSC). “Antoky ny fahazoana antoka sy fangaraharahan’ny zotram- pifidianana ny fitsirahana ny lisitry ny mpifidy. Hatao indroa miantaona izany fitsirihana izany. Ny voalohany atao mialohan’ny famaranana vonjimaika, ny faharoa kosa alohan’ny fanontana ny lisitry ny mpifidy izay nofaranana tanteraka”, hoy ny Filoha lefitra voalohan’ny CENI, Andriamalazaray Andoniaina tamin’ny fanokafana izany. Nambara fa atao ahafahana mijery ny kalitao sy ny fahamarinan’ny lisitry ny mpifidy araka ny fenitra takian’ny didy aman-dalana manan-kery eto Madagasikara sy eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena ity fitsirihana ity. Nanamafy kosa I Sahli Karine, manam-pahaizana manokana avy amin’ny OIF, nandritra ny fanolorana ny asa izay hataony fa “hanatanteraka ny fitsirihana ao anaty mangarahara tanteraka”. Tamin’ity andro voalohany ity, nikaon-doha tamin’ny fandrafetana ny tondrozotra sy ny fametrahana ny komity vonjimaika hanara-maso ny fitiliana izay hataon’ny OIF ireo teknisianina ary ireo solontena avy amin’ny antoko politika sy ny OSC,… Taorian’ny fifanakalozan-kevitra sy ireo tolo- kevitra nentin’ireo mpiantsehatra, nankatoavin’ny rehetra ny tondrozotra hanatanterahana ny asa ary natao sonia ny tatirtry ny fivoriana, hoy ny tatitra. Izany dingana rehetra izany no natao mba hampanjakana ny mangarahara amin’ny fitantanana ny zotram-pifidianana, hitazonana ny vina “Zotram-pifidianana tsara omana, andraisan’ny mpiantsehatra anjara antoky ny fitoniana sy filaminana”, hoy ny CENI. Marihina anefa fa nivoaka ny efitrano ny avy amin’ny Antoko mpanohitra izay nahitana vovonana sy antoko samihafa.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

  • ZAZA RAMANDIMBIARISON
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Tsy tokony ho tara ny

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

Hijery ny tohiny
FTT