Midina ifotony mampandre mialoha

Tsy mahafaty ny mahatsikaiky!


  • Alarobia 24 Jolay 2024

Tsy mahafaty ny mahatsikaiky! na koa hoe «Le ridicule ne tue pas!»,

hoy ny fomba fiteny vazaha izay tsaroana hatrany isaky ny misy tomponandraiki-panjakana na mpitondra midina ifotony mampandre mialoha tahaka izay niseho omaly teny amin’ny seranam-piaramanidin’Ivato nataon’ny filoham-pirenena ireny. Tsy maintsy ho esorina amin’ny asany izay rehetra hita ary ananana porofo fa manao kolikoly sy ireo manao fihetsika mampitaraina ny maro amin'ny alalan'ny fakàna vola amin’ny mpandeha sy miditra eto Madagasikara moa, hoy ny hafatry ny filoham-pirenena, Andry Rajoelina. Tsy vao sambany ihany koa fa saika efa fahita matetika tao anatin’izay 5 taona mahery izay ity fomban’ny fitondrana Rajoelina midina ifotony mampandre mialoha ity. Tsy ny filoham-pirenena ihany fa saika ireo minisitera maro sy sampan-draharaham-panjakana koa dia matetika manao io fomba fiasa io. Efa matetika nitsikera ny minisiteran’ny varotra sy fanjifana momba azy io, ohatra, ireo fikambanan’ny mpiaro ny zon’ny mpanjifa hoe mampandrenesa mialoha foana fa tafidina eny ianareo efa madio ny tokontany. Raha hanatratra na hanafoana mpangalatra ve, hoy ny fanehoan-kevitra, dia hiteny, ohatra, hoe hanafoana ny tontakely eny Ambohijatovo izahay rahampitso amin’izao ora dia hisy mpangalatra na totankely ho hitanao sahy hihaodihaody ve eny? Ho marina ve ao aorian’ilay fidinana ifotony ny mety ho tatitra manao hoe tena mandry fahalemana i Ambohijatovo satria tsy nahita mpangalatra tena izahay na ny iray aza tamin’ny fidinana ifotony nataonay? Fidinana ifotony tena hikaroham-bokatra no tiana ahatongavana sa toy ny mahazatra izao fitondrana izao hatramin’izay dia ilay lasa ankalazaina hoe tsy maintsy mandeha na werawera?
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Fanenjehana
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

an-dRajoelina, Ntsay Christian,…

  • Nampahatsiahy ny
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

antoko politika Teza

  • Julien Andriamorasata
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

«Iankinan’ny fiainam-pirenena

  • Madagasikara-Frantsa
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Mihenjan-droa ny tady, miverina sarin’ny 2008…

  • ANTOKO PDS
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Handroso làlam-panorenana

  • Raharaha fanakorontanana,
  • Alarobia 29 Aprily 2026

diplaomasia mafampana…

Hijery ny tohiny
FTT