Omaly alahady 29 aprily no tonga teto Madagasikara ny sekretera jeneralin’ny fikambanana iraisam-pirenena momba ny Frankofonia (OIF), Rtoa Michaelle Jean.
Nitsena azy teny Ivato ny minisitry ny fitsarana Rasolo Elise Alexandrine. Tanjon’izao fitsidihana izao ny fiantsoana ireo mpanao politika mba hahay hifampiresaka sy hampandefitra ny hambom-po sy ny fifandrafiana. Tandrovy fatratra ny zavatra efa azonareo tamin’ny 2013 ka niverenan’ny fanjakana tan-dalàna sy ny demokrasia, hoy i Michaelle Jean. Tena ilaina ny hevitry ny tsirairay ary azo hatsaraina ny zava-drehetra, hoy izy. Ilaina ny fifampiresahana mba hametrahana ny fitoniana mitondra mankany amin’ny fiatrehana fifidianana ao anatin’ny filaminana, hoy ity sekretera jeneralin’ny OIF ity. Anisan’ireo fikambanana iraisam-pirenena miditra ho mpanelanelana amin’ny fandaminana ny krizy politika misy eto Madagaskara amin ‘izao fotoana ny OIF, izay somary ahian’ny mpanao politika maro, indrindra ireo mpanohitra, fa hoe miandany amin’ny filoha Rajaonarimampianina.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.