Politique

Miasa ny kaominina Manakorontana ry Lalatiana


  • Sabotsy 07 Novambra 2015

Nampiantso mpanao gazety omaly mitataovovonana teo amin'ny lapan'ny tanàna ny mpanolotsaina Lalatiana Rakotondrazafy sy Ravololomanana mba hanambarany ny tsy fandehan'ny raharaha ao amin'ny kaominina Antananarivo Renivohitra.

 


 

 Nambaran’izy ireo ary fa mahatratra 1000 ny mpiasan'ny kaominina horoahina amin'ny trano fonenany satria nofoanan'ny Filankevitra monisipaly amin'izao fotoana ny fahazoan’izy ireo mipetraka amin'ny tranon'ny kaominina manomboka amin'ny alatsinainy izao. Teo ihany koa ny filazana fa ny fandaniana ny « budget additionnel » ny kaominina taona 2015 dia tsy misy dikany. Koa dia nanao "TSIA" izy ireo satria vola efa nolaniana ve no angatahana ny hevitry ny mpanolotsaina ? Matoa, hono, ry zareo manao an'izany resadresaka amin'ny mpanao gazety izany dia  noho ny fandalinany ny demokrasia sy ny mangarahara. Tsara ny fanehoan-kevitra ilaina, ny fanakianana saingy ny an’ny sasany kosa  toa maka endrika fafilainga fotsiny ary tena mivily mankany amin’ny fanakorontanana mihitsy aza ilay izy.

 

Fanafoanana fanapahan-kevitra tsy mifanaraka amin'ny lalàna

Nisy fanapahan-kevitra noraisin'ny Filankevitra Monisipaly mitondra ny laharana 9bis CUA tamin’ny 18 aprily 2012 mikasika an'ireo tranon'ny kaominina hipetrahan'ny mpiasa izay trano efa somary osa. Misy ihany koa fanomezana « bail emphytéotique » atao amin'ny olona sasany izay efa tsy mpiasan'ny kaominina saingy mipetraka amin'ny tranon’ny kaominina. Notsipahin'ny prefektioran’ny polisy io fanapahan-kevitra io satria tsy mifanaraka amin'ny lalàna. Nanapa-kevitra ny Filankevitra ny hanafoana io didim-panjakana monisipaly io.Fankahalana sy fanakorontanana tsotra izao no azo ilazana iny fanambarana nataon’ireto mpanolotsaina roa ireto, satria dia tsy nihambahamba izy mirahavavy niteny hoe hametrahana an'ireo mpiasa mpanara-dia ny ben'ny tanàna ankehitriny ny trano. Hita soritra fa tsy mbola mangatsiaka ny fon'izy ireo ary mitohy ny fankalahana afenina ao ambadiky ny resaka "mangarahara sy demokrasia".

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Antoko politika Maeva
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Sao tokony hamboarina

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

Hijery ny tohiny
FTT