Politique

Miary Rasolofoarijaona “Tsy maintsy mijoro sy miady isika!”


  • Alakamisy 17 Aogositra 2023

Toy izao ny fahitako ny politika eto Madagasikara, hoy ny mpanao gazety, mpamakafaka raharaham-pirenena, Miary Rasolofoarijaona.

Lovantsika avy amin'ny raiamandreny rehetra tany aloha tany ity Madagasikara ity, hoy izy, ary lova ho avelantsika ho an'ny taranaka. Raiamandreny iray no niteny tamiko fa raha tsy misy fifandeferana dia tsy hisy fampandrosoana saingy nampiany hoe ny fifandeferana dia zava-poana raha fitiavan-tena sy tombotsoa manokana no manjaka. Eny, mila miafy sy milefitra ny vahoaka, fa raha fitiavan-tena sy tsy fahaiza-mitantana no setriny, tsy maintsy mijoro sy miady isika hisian'ny tsara kokoa! Tsy ho ekentsika izany mpitatana tena ahitana mpanao kolikoly sy mpanodina ny volam-bahoaka izany. Tsy ekentsika izany hoe efa tsy delestazy fa fahatapahana matetika no misy. Tsy ekentsika izany mpitondra mihevitra fa ny fampanantenana poakaty no fomba hitantanana sy handaminana ny fiarahamonina. Efa olon-dehibe tonga saina isika malagasy, hoy hatrany ny tenany!
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

  • ZAZA RAMANDIMBIARISON
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Tsy tokony ho tara ny

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

Hijery ny tohiny
FTT