Miary Rasolofoarijaona

«Tonga saina tsara ve isika manoloana izao asa famotehana izao?»


  • Alakamisy 23 Mey 2024

Rehefa vita ve io teleferika io dia mihena ny fotoana lany amin'ny tohamboivoy na «embouteillage»

avy any Sabotsinamehana, Andoharanofotsy mandalo Tanjombato, miditra sy mivoaka Anosizato, miditra eo Tsarasoatra mandalo Akorondrano, eny Itaosy mandalo Ampasika, eo Andranomena, hoy ny mpanao gazety, mpamakafaka, Miary Rasolofoarijaona? Hihena ve ny fotoana lanin'ireo olona miasa sy monina eto Antananarivo renivohitra anaty «embouteillage», hoy izy? Raha namaha izany olona izany io teleferika io dia miaraka mihoby aminareo aho fa raha tsia kosa dia mandiniha tena ianareo izay nandany vola tamin'io zavatra io. Zotra na «ligne» tena betsaka mandeha ve izany Soarano-Ambatobe izany? Ho zakan'ny fahefa-mividy ve ilay saran-dalana? Herinaratra avy aiza no ho laniana amin'io nefa ny JIRAMA mihitsy no miteny fa ny vokatra ankehitriny miditra eto Antananarivo aza tsy ampy ny mpanjifa eto? Tonga saina tsara ve isika malagasy manoloana izao asa famotehana izao? Sokafy re tompoko ny masontsika, hoy hatrany ny tenany!
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Talata 05 Mey 2026

Hanomboka anio ny

  • PAN-Raharaha Naivo Raholdina
  • Talata 05 Mey 2026

«Mbola tsy azo esorina ny

  • Fanenjehana
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

an-dRajoelina, Ntsay Christian,…

  • Nampahatsiahy ny
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

antoko politika Teza

  • Julien Andriamorasata
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

«Iankinan’ny fiainam-pirenena

  • Madagasikara-Frantsa
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Mihenjan-droa ny tady, miverina sarin’ny 2008…

Hijery ny tohiny
FTT