Miary Rasolofoarijaona

«Tena mihemotra ilay firenena»


  • Zoma 08 Martsa 2024

Tena mahakivy ny zava-misy eto amin'ity firenena ity,

hoy ny mpanao gazety, mpamakafaka, Miary Rasolofoarijaona. Vao avy nandeha tany Mahajanga ny tena, hoy izy. Ny lalana potika tanteraka. 12 ora vao tonga any. Ny delestazy tena manahirana satria zara raha mandeha ny jiro. 2 ora amin'ny alina monja. Andeha hisakafo dia miteny ireo hoe izay sakafo mila herinaratra dia tsy misy. Andeha hanasa fiara dia hoy ireo hoe tsy afaka manasa fa tapaka ny jiro sy rano. Andeha hanao «impression» na hamoaka atontan-taratasy dia hoy ireo hoe efa hatry ny omaly no tsy mandeha ny jiro. Andeha hilomano anaty «piscine» na dobo filomanosana dia hoy ireo hoe somary misy fasipasika fa tapaka jiro dia tsy mandeha ny maotera. Andeha hilomano eny amin'ny ranomasina dia ilay mafana ny andro mba mitady zavatra mangatsiaka dia hoy ireo hoe tsy misy izany intsony fa ny jiro eto tena efa tapaka foana tsy mahavita mampangatsiaka. Andeha hody teo Maevatanana mba hoe hihinana trondro dia hoe tsy misy fa lasa lafobe amin'ilay izy tsy azo tehirizina satria tsy misy jiro. Santionany fotsiny ireo fa tena mihemotra ilay firenena. Potika ny fiharian'ireo malagasy mihevitra ny mba hiezaka amin'ny fiainana. Inona ilay asa fampandrosoana ataon'ny fanjakana eto Madagasikara? Malahelo ity fireneko aho. Malahelo ny tenako aho, hoy hatrany ny tenany.

J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • 14 oktobra
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

  • TSIAHIN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

TOLONA- TANORA GEN Z

  • Politika ampiharina
  • Zoma 02 Oktobra 2026

eny anivon'ny Minisitera

  • Alain Mahavimbina
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

« Aza mifanilika, ilaina ny tanora,

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

Hijery ny tohiny
FTT