Miary Rasolofoarijaona

“Miantso ny olona tsy hanaja lalàmpanorenana ny SGAP”


  • Alarobia 20 Septambra 2023

Nampita hafatra manokana ho an’ny sekretera jeneraly momba ny fitantanan-draharaha eo anivon’ny fiadidiana ny repoblika na SGAP,

Dina Andriamaholy, ny mpanao gazety, mpamakafaka, Miary Rasolofoarijaona, manoloana ny fanakihanan’ity tomponandraikitra ity ireo firaisamonim-pirenena mitsekera ny fanapahan-kevitry ny fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana izay nandray ny firotsahan-kofidiana ho filoham-pirenen’ny filoham-pirenena teo aloha, Andry Rajoelina. Andriamatoa Dina Andriamaholy, hoy izy, sady tsy nampianatra olona ankahala aho na hanao zavatra hafa fa ianao miantso ny olona tsy hanaja ilay lalàmpanorenana. Ny mpanohana fitondrana miantso ny “disqualification” na fanesorana ny kandida lazaina fa tsy manaja rafitra dia mba atao mitovy koa ny antso hoe jereo akaiky koa ity olona ity fa tena ny lalam-panorenana no tadiaviny hitsahina. Fifampitaizana no atao, hoy hatrany i Miary Rasolofoarijaona.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

  • PM Mamitiana Rajaonarison
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Vahaolana ara-tsosialy maro no

  • FANAVAOZANA NY REPOBLIKA
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Politika mampandroso no

  • 14 oktobra
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

Hijery ny tohiny
FTT