Politique

Miary Rasolofoarijaona «Adidy masina ny manala ny mpitondra ankehitriny»


  • Alatsinainy 12 Jona 2023

Tena leo sy tofoka ny tsy fahaizan'ity filoha Rajoelina sy ny ekipany ity ny firenena malagasy,

hoy ny sekretera jeneralin’ny olafitry ny mpanao gazety teo aloha sady mpamakafaka raharaham-pirenena, Miary Rasolofoarijaona. Tena adidy masina ny manala ny mpitondra ankehitriny eo amin'ny fitatanana ny firenena, hoy izy. Tena tsy mahavita. Lavaka amin'ny lalana efa isan'andro mitera-doza na eto andrenivohitra na manerana ny lalam-pirenena rehetra. Isan'andro ianao tsy maintsy maheno olona nisy nanendaka sy vaky trano. Ny fisolokiana efa lasa rivotra iainana eto. Delestazy lazaina fa tapitra sy nahitam-bahaolana fa vao maika ny minitra andehanan'ny jiro no isaina isan'andro. Ny rano zara raha misy iray zinga ao anatin'ny herinandro fa miampy ity tsy fahitana vahaolana amin'ny fifehezana ny fiatraikan'ny COVID sy ny ady any Okrainina. Mbola hiakatra koa izao ny vidin'ny solika dia hanaraka koa io vidim-piainana io. Tena fotoana izao itenena hoe "miala i Rajoelina sy ny ekipany rehetra fa tsy mahavita". Vao mifoha maraina dia tsy misy rano na anasana tarehy nefa nosokafana alina tontolo ny fanovozan-drano na «robinet», hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

  • ZAZA RAMANDIMBIARISON
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Tsy tokony ho tara ny

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

Hijery ny tohiny
FTT