Politique

Miaramila vahiny tonga eto Madagasikara Ahoana ny hevitry ny olona ?


  • Alakamisy 13 Oktobra 2011

Na dia samy niezaka ny nampitony ny saim-bahoaka aza ny FAT andaniny, sy ny jeneraly Nyembe Jeremiah Mduduzi, mitarika ireo delegasionina miaramilan’ny SADC ankilany dia mbola resabe etsy sy eroa ity raharaha fidirana miaramila eto Madagasikara ity. Mialoha io koa moa dia efa nivoaka ny resaka fa toa hoe nisy fiaramanidina manokana nitondra manamboninahitra Amerikanina nigadona teny Ivato ny alatsinainy 10 oktobra lasa teo. Samy manana ny handikany izany tranga izany ny tsirairay avy. Niezaka nanontany ny hevitry ny olona ny Tia Tanindrazana.

 Haja, mpivarotra : «Tsy tongatonga ho azy izany miaramila vahiny miditra eto izany. Raha ny fahafantarako azy dia efa manaraka lamina maty paika. Ny an’ny olona anie tsy mitratrevatreva lava tahaka ny eto amintsika ny manamboninahitra sy ny miaramila fa tena manana paikady matotra e ! Tongo-bakivaky ilay izy, sady maharary no mahamenatra, kanefa atao ahoana moa fa izao no alehany rehefa tsy mahay mifanaraka isika samy Malagasy, fa dia ny miaramila Afrikanina Tatsimo sy ny Tanzanianina no handamina antsika».

 

Riri, mpitondra taxi : «Jeneraly iray no nambara fa ho tonga eto, toa hoe 20 mahery anefa ry zareo no nigadona teny Ivato. Mazava ny resaka fa hanao angaredona amin’ireo be galona ao amin’ny foloalindahy ny manamboninahitra avy amin’ny SADC. Hita mibaribary mantsy fa mitanila ny foloalindahy Malagasy, manohana ny ankolafy Rajoelina ary tsy hahalala izany hoe Marc Ravalomanana miverina eto izany. Tsy ilay hoe fiverenan’ny filoha teo aloha na tsia, amiko no olana ka nahatonga ny SADC handefa miaramila eto, fa ireo manamboninahitra ambony hita be ho tena manohana ny filohan’ny FAT, tsy maintsy miaramila samy miaramila mantsy no miresaka, fa raha hoe miaramila sy diplaomaty izany dia tsy hahita marimaritra iraisana mihitsy».

 

Nirina, mpianatra : «Somary mampatahotra ihany aloha ilay izy e ! Toa resaky ny samy mpanao politika sy diplaomaty no nisy sy nahazatra teto hatramin’izay, izao anefa dia miditra an-tsehatra ny miramilan’ny SADC. Amiko dia tsy tena nilaza manontolo ny iraka nampanaovina azy ilay jeneraly Tanzanianina. Misy ny zavatra tsy nambarany, na nosafosafoiny fotsiny fa dia ho hitantsika eo anie ny ho tohiny e !».

 

Felana, mpiasa am-birao : «Filaminana no tadiavina, ary tsy tokony hisy hisavorovoro izany intsony. Izaho mieritreritra fa tonga handresy lahatra ny foloalindahy mba hijoro ho elanelam-panahy amin’ny mpanao politika fa tsy hiandany amin’ny ankolafy izatsy na izaroa ireto iraka miaramilan’ny SADC ireto, ary mampatsiahy fa raha sanatria mikatso indray ny fampiharana ity sori-dalana ity dia hiroso amin’ny dingana hafa ny SADC sy ny sehatra iraisam-pirenena amin’ny famahana ny krizy eto Madagasikara satria efa tena ela loatra ilay izy».

 

Nangonin’i RTT

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

  • Mbola mafana ny dosie Raholdina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Mifanipaka ny resaky ny PAN

  • Antenimierampirenena
  • Alarobia 06 Mey 2026

Raharaha maro hodinihina anatin’ny 60 andro…

Hijery ny tohiny
FTT