Efa 10 taona mahery izao no nitakian’ireo miaramila misotro ronono ny zo tokony nisitrahany nanomboka ny tetezamita no nankaty, raha ny fanazavan’ny filoha nasionalin’ny fikambanan’izy ireo, Jean Solo Randrianasimanana.
Nampanantena ny filoham-pirenena ankehitriny, Hery Rajaonarimampianina, fony izy mbola minisitry ny tetibola, fa aleo anatin’ny repoblika faha 4 no tanterahana ny fampiarana ny didim-panjakana mikasika ity fangatahan’ny miaramila misotro ronono ity. Hatramin’izao anefa, hoy hatrany ny fanazavana, dia mbola mitohy ny fandrirarirana na dia efa nisafidy ny niandry ny repoblika vaovao aza ireto miaramila ireto. Misy efa mahatratra hatrany amin’ny 10 tapitrisa ariary anefa ny an’ny sasany ny vola mbola tsy voaray. Tsy maintsy hanatevin-daharana ny hetsiky ny randrambaon’ireo sendika amin’ny 1 may miainga eo Mahamasina mihazo an’Analakely koa izahay, hoy ny tenany, ary tsy maintsy hanohana kandida iray fa efa latsaka an-davaka ny firenena.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.