Miantso ny HCC sy CENI I Pr Harimalala Joseph

«Mety hiafara amin’ny rà mandriaka ny fifidianana io»


  • Alarobia 15 Novambra 2023

Miangavy anareo HCC sy CENI tompoko mba hampitsahatra tsy misy fepetra an'io fifidianana tsy marina,

feno hosoka sy halatra io mba hisorohana ny krizy goavana sy ny ady an-trano mety hiafara amin 'ny rà mandriaka mahatsiravina sanatria. Ekena fa efa samy nandoha volabe 200 000 000 Ar avy ireo kandida, kanefa matoa ireo kandida 10 nihemotra dia tsikaritr'izy ireo fa misy zavatra tsy ara-dalàna tao ; toy ny olona izay niditra anaty sambo ihany io, ka rehefa tsikaritra fa misy vaky ilay sambo na efa nahaloa vola natao « frais » aza, dia manan - jo hiala sy hanemotra ny diany ny olona », hoy i Pr Harimalala Joseph. Ary aza adino, hoy izy, fa matoa ireo olom-boafidin ' Andriamanitra toy ny FFKM sy Rtoa Christine Razanamahasoa izay filohana Andrim-panjakana mpanao lalàna sy ireo vondron'olona sy fikambanana maro samihafa miaraka amin'ireo kandida 10 no mijoro sy amin’ny tsy tokony hanaovana an'io fifidianana feno hosoka izay teren-ko masaka io , dia heverina fa tsy noho ny nahimpon'izy ireo velively no hitambarany sy nanaovan'izy ireo fanambarana, fa Andriamanitra mihitsy no maniraka azy ireo hanakana io fifidianana io tsy ho hatao ; satria tsy sitrak ' Andriamanitra ny hisian 'ny rà mandriaka sy faty olona mikararana eto Madagasikara, araka ny tenin ' Andriamanitra izay voasoratra ao amin 'ny (Marka, 13 ; 20) manao hoe : « Ary raha tsy nohafohezin 'ny Tompo izany andro izany, dia tsy nisy nofo hovonjena ; fa noho ny olom - boafidy, izay nofidiny, dia nohafoheziny izany andro izany ». Koa araka izany ry HCC sy CENI dia andeha ho hankatoavina ny tenin ' Andriamanitra fa marina ny teniny, ary aleo hizotra amin 'ny fahamarinana ny fifidianana fa izany no sitrapon ' Andriamanitra, araka izay voasoratra ao amin 'ny (Ohabolana, 14; 34a) manao hoe : Ny fahamarinana manandratra ny firenena », hoy ny hafatra nataon’ny Pr Harimalala Joseph.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • 14 oktobra
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

  • TSIAHIN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

TOLONA- TANORA GEN Z

  • Politika ampiharina
  • Zoma 02 Oktobra 2026

eny anivon'ny Minisitera

  • Alain Mahavimbina
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

« Aza mifanilika, ilaina ny tanora,

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

Hijery ny tohiny
FTT