Feno hipoka ny trano filanonana Carltan ao Miandrivazo ny tontolo andron’ny saboty 22 janoary teo nampiantrano ny lanonana fifampiarahaban’ny mpikambana Tiako I Madagasikara ao amin’ity distrika ity, nahatratra ny taona 2011. Omby efatra avy amin’ny malalatanana no natao nofon-kena mitam-pihavanana tamin’io andro io, midika fa maro tokoa ny mpikambana tonga tamin’io andro io. Ny Dr Raymond, filohan’ny TIM Distrika sy i Riri Ernest, mpandrindra ny Tanora TIM ao an-toerana no tompomarika tamin’ny famoriana indray ny mpikambana ao an-toerana.
Nohararaotina, araka izany, ny fihaonana nifampizarana vaovao hialana amin’ny honohono ary koa nifanentanana amin’ny fiatrehana ny hoavy. Velona sy miasa ary manaraka ny fiainam-pirenena ny TIM, hoy ny teny niverimberina tamin’ity fihaonana ity. Nanamafy ny fanohanany ny filoha Marc Ravalomanana sady filoha mpanorina ny antoko ny TIM Miandrivazo.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.