Efa nanomana fety be ho amin’ny 15 desambra 2015, hanamarihana ny fandraisana fahefana ny Hery Vaovao ho an’i Madagasikara ao Miandrivazo saingy tsy ho tanteraka intsony izany, fa nijanona ho nofinofy fotsiny ihany.
Nanantena mantsy ny HVM fa havotan’ny Filankevi-panjakana tamin’ny fitsarana natao tampotampoka ny zoma 11 desambra teo, saingy tsy tanteraka izany. Nolavin’ny fitsarana fandravana didy ny fitoriana. Midika izany fa nohamafisin’ny Filankevi-panjakana ny maha Ben’ny tanàna ny kandidan’ny Tiako i Madagasikara ao amin’ny kaominina ambonivohitra Miandrivazo. Voatazon’ny TIM torak’izany ihany koa ny toeran’ny Ben’ny tanàna tao Ankotrofotsy, Manandaza, Ankondromena ary Bemahatazana samy kaominina ambanivohitra ao anatin’ny distrikan’i Miandrivazo, raha efa nanantena handrombaka mora foana an’ireo toerana ireo ny HVM.
Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.