Miandrandra fifidianana

mitaky fanajana lalàna Manantena vahaolana manomboka ny alarobia izao ireo kandida 11


  • Alatsinainy 25 Septambra 2023

Nanao fanambarana tetsy amin’ny Le louvre Antaninarenina ny sabotsy teo ireo kandida miisa 11 manohitra ny

firotsahan-kofidian’ny filoham-pirenena teo aloha, Andry Rajoelina, sy ny fanapahan-kevitry ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana na HCC mikasika izany sy ny famelana ny praiminisitra Ntsay Christian sy ny governemantany hitantana vonjimaika ny firenena fa nisy ny fihaonan’izy ireo tamin’ireo solombavambahoaka. Izahay kandidà 11, hoy izy ireo, satria misy tafa sy dinika nataonay, ary hitanareo moa izany fa tao anatin’ny andro vitsivitsy dia betsaka ny fihaonana nataonay kanefa tsy nisy fanambarana. Toy izao izany ny tatitra ataonay kandidà 11 amin’ny vahoaka malagasy. Tsy mitsahatra miheritreritra sy mijery ny hoavin’ny firenena, ny tombotsoa ambonin’ ny firenena, ary ny hoavin’ny vahoaka malagasy izahay kandidà 11. Manoloana izany dia hitanay ary tsapanay ihany koa fa kay marobe koa ny olona tena hoe mahatsapa ireo olana goavana misy ankehitriny. Raha tsy resahana fotsiny ny tsy fanajana ny lalàmpanorenana izay nataon’ny andrim-panjakana anakiroa dia ny HCC sy ny governemanta. Betsaka ny nanao fanambarana ary hitanareo ireny na ny fianakaviambe iraisampirenena izany, na ny OSC, na ny fikambanana maro samihafa, ny sendika ary nisy ihany koa ny fihaonanay tamin’ny FFKM dia raiamandreny am-panahy izay tena miasa loha mafy amin’ny hoavintsika mba tsy hisian’ny krizy amin’ny resaka fifidianana hoavy io. Mazava be izany ny teny avy aty aminay hoe mbola manamafy izahay fa mila fifidianana amin’ny 9 novambra 2023. Mangarahara, eken’ny rehetra ary hitanareo ihany koa fa nanamafy ny fianakaviambe iraisampirenena fa mila fanajana ny lalàmpanorenana ry zareo. Mila fanajana ny lalàna mifehy antsika mianakavy ao ny fifidianana ary ny governemanta mba tsy hitanila satria mbola averinay foana, maro aminay ireto no te hanafatra fitaovana avy any ivelany tsy avela. Maro aminay ireto te hanao fampielezankevitra toy ny ataon’ny sasany tsy avela ka izay zavatra mitanila izay dia hanimba zavatra. Mbola hisy fihaonana hitranga ny alatsinainy (TTF: anio sy talata dia eo izahay manome valiny amin’izany. Ankehitriny aloha dia mitady izay vahaolana isika ka izany no ilàna ny fifampidinihana sy ny fifampiresahana. Irianay fa manomboka ny alarobia ny vahaolana, hoy hatrany izy ireo.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

  • Mbola mafana ny dosie Raholdina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Mifanipaka ny resaky ny PAN

  • Antenimierampirenena
  • Alarobia 06 Mey 2026

Raharaha maro hodinihina anatin’ny 60 andro…

Hijery ny tohiny
FTT