Politique

Mialy Rabemanantsoa « Mitohy ny famitahana ny vahoaka”


  • Zoma 12 Jolay 2019

« Efa hiaraha-mahalala fa nitondrako ny fampielezan-kevitro dia ny fifantohana tamin'io hoe " tsy miankina " io ny tenako. Fahatokisana no ilain'ny vahoaka ary olona voafidy hitana ny teny nomeny azy ireo”, hoy i hoy Mialy Rabemanantsoa,

 

 

 

 mpahay lalàna sady kandidà solombavambahoaka farany teo, raha nanontaniana ny heviny mahakasika ireo depiote vao voafidy tsy miankina manohana sahady ny Fitondrana. Anisan`ireo nijoro ary tsy nitsahatra niteny hoe “matoa ianao tsy miankina dia ho an'ny vahoaka ianao” no mirotsaka fa tsy ho an'ny antoko, ary tombontsoan'ny vahoaka no jerena raha toa ka lany. Kanefa hiaraha mahita hoy izy fa na dia tsy mbola nivoaka aza ny ny voka-pifidianana ofisialy avy ao amin'ny HCC, dia efa nivondrona ireo kandida tsy miankina lohan-daharana, ka dia nanambara fa vonona ny hanohana ny fitondram-panjakana tsy misy fepetra ary hivondrona avokoa amin'ireo kandida IRD. Aiza ho aiza izany ilay tsy miankina kandidan'ny vahoaka ? Nohamafisiny kosa fa tsy manome tsiny ny vahoaka raha toa ka tsy matoky ireo kandida tsy miankina ireo, ka naleon'izy ireo aza mifidy ireo kandidan'antoko. Ny teo aloha ihany no miverina ary mitohy ny famitahana ireo vahoaka, hoy ity mpanao lalàna ity. Hita taratra tamin'ny fifidianana tokoa fa leo ny vahoaka, leo ny politika misy eto, dia aleo nanao "vote sanction" ary ambany dia ambany ireo olona nandeha nandrotsa-bato. Notsipihany kosa fa tsy afaka ny hiteny hoe lesoka tanteraka ny kandida tsy miankina satria misy ny atao hoe " Deux poids, deux mesures ". Misy ireo voafidy, efa mahay ny atao hoe politika maloto ary ireo no mandoto rano. Ary tsapany sy hitany tamin'ireo namana nirotsaka tsy miankina tsy lany avokoa fa ao tokoa ilay finiavana hanampy sy hanova zavatra fa ny mampalahelo dia rehefa izay tafiditra ao amin'ny antenimieram-pirenena no manao ny tsy mety, dia samy hampitoviana daholo ny rehetra ka na misy tsy manan-tsiny aza dia ny tsy miankina no voatonona ho mpamadika ny vahoaka daholo manomboka eo, hoy hatrany ny fanazavana

 

Marigny A.

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • PRRM
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Randrianirina Michael

  • Randy Donny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

"Novetavetain'ny fanjanahana

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

Hijery ny tohiny
FTT