26/100 ny naotin’i Madagasikara, araka ny tondro momba ny ady
amin’ny kolikoly na IPC 2025, izay mbola kely noho ny an’ny Népal, hoy ny Transparency international Initiative Madagascar na TIIMG. Tsy fifidianana ihany no hamaritana ny demokrasia fa miainga amin'ny lafin-javatra maro toy ny fahafahan'ny rehetra mitaraina ny olan'ny delestazy, fampianarana, kolikoly, fahantrana saingy matahotra mitaky ireo zo fototra isika, hoy ny tale mpanatanteraky ny TI-MG, Mialisoa Randriamampianina. Tsy tokony hisy fanilihana rehefa hiresaka politika fa anjaran'ny tsirairay izany ka diso, hoy izy, ny fiheverana fa mpikaraman'ady politika ny firaisamonim-pirenena, izay mitondra sy mitatitra ireo olana sedrain'ny vahoaka . Matoa ny olona eny anivon'ny tambazotran-tserasera sisa no miteny ireo hitany fa tsy mety dia tsy misy ny sehatra ho an’ny olompirenena ka mitaky ny hametrahana izany ny TIIMG. Mbola sarotra ny mamoaka hevitra tsy mitovy amin'ny mpitondra eto Madagasikara ankehitriny ka ao anaty tevana goavana, araka izany, ny demokrasia. Mamparefo ny demokrasia ihany koa ny kolikoly, izay 26/100 no azon'i Madagasikara tamin'ity taona ity raha mbola kely noho i Népal izany araky ny IPC na «Indice de perception de corruption», hoy hatrany izy.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.