Miala nenina ny mpanohitra

“Raha zavatra azo alamina aleo tsy hiandrasana korontana”


  • Talata 05 Septambra 2023

Tena milaza amin’ny vahoaka Malagasy tsy an-kanavaka ho ren-tany ho ren-danitra,

fa izao dia tsy fanajan’ny Fitondram-panjakana ny lalàna, ny fahafahana miteny, maneho, mivory,… Rehefa ny fitondram-panjakana no manao dia tsy misy fetrany, misy tsy fanajana lalàna, ka aiza ny Fanjakana sy ny firenena tan-dalàna ary iza no tokony hampihatra izany voalohany?”, hoy hatrany ny Filoha teo aloha io Hery Rajaonarimampianina noho ny fanakanana ny fivoriana saika hataon’ny mpanohitra omaly. Nandefitra izahay na nosakanana aza, betsaka ny olona teo niteny hoe: alefa, fa nandefitra izahay, miala nenina ihany amin’ny zavatra rehetra. Izahay eo, fa ny vahoaka mety manana ny heviny, ary vahoaka io, rehefa mitroatra ka manahirana, ka raha mbola azonay sy azon’ny rehetra atao ny tsy ho tonga amin’izany zavatra izany, dia tokony hanaja ny lalàna ny rehetra, hoy izy. Nomarihiny fa ny mpitondra no tokony ho maodely voalohany, ka nanipihany, fa tsy ireo mpitarika ihany no antsoina hoe: mpanohitra fa ny 80% mahery amin’ny vahoaka Malagasy izay mahantra, miaina ao anatin’ny tsy fisiana, miaina tsy fananan’asa, tsy afaka mampiana-janaka intsony. Raha izao no fandehan-draharaha, dia manahirana foana no ahitana filaminana amin’ny adihevitra rehetra izay atao amin’ny firenena, hoy I Hery Rajaonarimampianina. Nilaza ity farany, fa miharihary ny tsy fanajana ny lalàna sy ny fanjakana tan-dalàna, ka hiteny foana, ary hiseho amin’ny endriny maro. “Efa nahazoana alalana, ary mba tsy hisian’ny korontana no nifandamina mba tsy hampisy korontana, natao amin’ny trano malalaka, kanefa dia mbola voasakana foana. Izaho te hiteny fotsiny, manao antso avo amin’ny rehetra, fa raha zavatra mbola azo alamina, dia tsy tokony hitadiavana korontana. Nomarihiny fa ny zavatra rehetra amintsika miteny dia tsy nisy tsy nandalo amin’ny zavatra tahaka izao ny mpitondra rehetra, ka ny antony hijoroany dia ny hisorohana an’izay mba tsy hiverimberina intsony. Aleo ny Malagasy hifandinika hamahana ny olan’ny samy Malagasy”, hoy kosa ny kandida Masy Goulamaly.
Toky R


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

  • Mbola mafana ny dosie Raholdina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Mifanipaka ny resaky ny PAN

  • Antenimierampirenena
  • Alarobia 06 Mey 2026

Raharaha maro hodinihina anatin’ny 60 andro…

Hijery ny tohiny
FTT