Politique

Miala i Camille Vital Tsy manaiky praiminisitra sivily ny miaramila


  • Alakamisy 06 Oktobra 2011

Araka ny tsiliantsofina dia nisy ny fivoriana nataon’ny manamboninahitra mitana andraikitra eto amin’ny firenena ny alin’ny talata teo.

 Tapaka nandritra io fivoriana io fa tsy manaiky ny amin’ny hanendrena praiminisitra sivily izy ireo. Tsy maintsy atao miaramila ihany ny praiminisitra noho izany. Mandeha ny feo ny amin’ny anaran’ny jeneraly Andrianafidisoa na jeneraly Fidy. Ny loharanom-baovao ihany anefa no nahalalana fa tsy manaiky izany ireo manamboninahitra miaramila maro nanatrika ity fivoriana ity mba tsy hilazana fa izy rehetra mihitsy. Tsy maintsy ho jeneraly anefa ny praiminisitra eo satria sarotra ho an’ireo be kintana ny hobaikon’ny be bokotra.

Fantatra ihany koa fa tsy anisan’ireo izay mahazo ny fon’ny miaramila ny praiminisitra ankehitriny raha ity fivoriana ity no resahina. Raha izao zava-misy eo anivon’ny tafika izao dia tafalatsaka tanteraka ao anatin’ny politika ny miaramila eto Madagasikara. Tsy misy milaza mihitsy mantsy raha toa ka hotanterahina ihany ao anatin’ilay sori-dalana fa atolotry ny miaramila na miaramila mihitsy no hatao praiminisitra. Azo antoka araka izany fa tsy maintsy hisy indray ny fakana ranondranony amin’ny mpanao politika ataon’ireo be galona mitsiriritra ity seza fiandrianana ity. Ho hita eo ny tohiny.

Mohamed

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

  • ZAZA RAMANDIMBIARISON
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Tsy tokony ho tara ny

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

Hijery ny tohiny
FTT