Politique

Miala any ny ramatahora Nisy nandoro ny biraon’ny TIM Antsirabe


  • Alakamisy 05 Novambra 2015

Hagagana ny an’ny maro ny alin’ny talata 3 novambra tokony ho tamin’ny 9 ora alina raha nahita afo nijoalajoala nanaka-danitra teo ampitan’ny hotely Imperial

. Ny Foiben’ny antoko Tiako I Madagasikara ao Antsirabe ity nirehitra ity. Tsy misy mipetraka ao fa mpiambina ihany no tao, izay tsy nahalala mihitsy ny mety ho niavian’ny afo. Nanamarina izany ireo mpiasa teo ampitan’ny nitrangan’ny afo nilaza fa 4 metatra ny lelafo hitan’izy ireo kanefa nambara fa toa ankason’ny herinaratra, hono, ilay izy. Vokany, tsy nisy noraisina ny foiben’ny TIM, izay nihitatra teo amin’ny biraon’ny Fertilis International sy ny tranon’ny Reny Miavotra ary ny loza dia tratra tao ihany koa ny biraom-paritry ny Minisiteran’ny varotra. Niezaka namono ny afo ihany ny rehetra tonga nanatrika teo, niampy ny sampana mpamonjy voina avy tao amin’ny orinasa Cotona saingy tsy nisy noraisina avokoa ny entana rehetra. Efa misokatra moa ny fanadihadiana. Naneho ny alahelony ny filohan’ny Distim, Rakatomiandrisoa Jean Ernest fa nanana ny tantarany ity toerana ity nandritra ny tolon’ny zanak’i Dada naharitra 7 taona teto Madagasikara. Taorian’ny firehetan’ny hazo sy ny ampahany tamin’ny trano fitahirizan’entana tao amin’ny Tiako Sambaina dia izao nirehitra izao indray ny foibe toeran’ny Tiako I Madagasikara tao Antsirabe, tranga  izay hafahafa ho an’ny maro ary tena miendrika sotasota politika sy endrika tsindry aloka atao amin’i Marc Ravalomanana sy ny ekipany mihitsy.


Hoy izy ireo:

Depiote Ernest Rakotomiandrisoa: toerana manana ny tantarany ho anay ity toerana ity satria nandritra ny tolona ho famerenana ny filoha Ravalomanana teto Madagasikara nandritra ny 7 taona dia toeram-pihaonan’ny Tia Tanindrazana mpomba ny ara-dalàna teto. Teto ihany koa no namolavolana ny fifidianana rehetra izay natrehan’ny Tim ka mampahonena. Miandry izay vokatry ny fanadihadiana izahay.

Rafaly Magro: Ny mampalahelo dia ireo fitaovana marobe potika kanefa anisan’ny fanampianay ny tanora ny fampianarana Informatika, ary ho an’ny vehivavy ny zaitra sy ny asa-tanana kanefa dia levon’ny afo avokoa ireo fitaovana rehetra. Milina am-polony mahery ny an’ny Reny Miavotra no lasa lavenona. Fahavoazana tanteraka ho an’ny antoko iny tranga iny ary na ratsy aza ny saina dia tsy afaka ny hiampanga olona izahay. 

Caius R

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Antoko politika Maeva
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Sao tokony hamboarina

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

Hijery ny tohiny
FTT