Miakatra hatrany ny maripana politika

5 nogadraina, mpiambina kandida 5 nosamborina


  • Alarobia 11 Oktobra 2023

Nalefa any am-ponja vonjimaika avokoa ireo olona 5 voasambotra ny sabotsy teo, izay nisy tamin’ireo moa ireo

nitondra ny fanamafisam-peo, nisy ny nasaina niparitaka saingy tsy niala niaraka tamin’ny vava,... Fivorivoriana na "attroupement" no anenjehana azy ireo. Tsy afa-po moa ny mpisolovava ary nanao fanohanana na “opposition”. Maherin’ny 25 ireo mpisolovava vonona ny hiaro maimaipoana ireo olona voasambotra nandritra ny hetsiky ny Kandida 11. Tsy mbola niakatra fitsarana kosa ny raharaha momba ny sekretera jeneralin’ny antoko TIM Rina Randriamasinoro, herinandro mahery aty aoriana. Ity farany izay natao sambo-dokotra teo Andohan’Analakely raha izy nipetraka teo ambony vato tsy nanam-po na inona na inona iny, ka nilazan’ny mpisolovava ny faran’ny herinandro teo fa fisamborana tsy ara-dalàna satria tsy nisy “mandat d’arrêt” mazava avy amin’ny tonia mpampanoa lalàna, ary tsy tao anaty korontana rahateo no nisamborana azy izany hoe: tsy tratra am-bodiomby, kanefa ny vesatra dia hoe: famoriana olona tsy nahazoana alalana, fanakorontanana, fanompana sy faniratsirana mpitandro fikaminana. Tsy nandrenesam-peo ihany koa ny tena tohin’ny fisamborana ny mpiambina manokana an’Atoa Marc Ravalomanana izay nosamborina ny 02 oktobra lasa teo. Omaly, nosamborina teny Antaninarenina tahaka ireny misambotra jiolahy raindahiny ireny ihany koa ny mpiambina ny kandida Siteny Randrianasoloniaiko. Tokony ho tamin’ny 3 ora tolakandro, fiara nijanona teo amin’ny sisin-dàlana niandry ireo kandida no voalaza fa nanaovan’ny mpitandro filaminana be fiavy. Nambanana basy avy hatrany ireo mpiambina, ary nosamborina. Lasa ny vola sy ny entana, ary ny fiara nentina eny Fiadanana. Voalaza fa efa navotsotra ny fiara sy ny mpiambina iray. 5 izany izao ireo mpiambina kandida nosamborina, ary ny 1 ihany no efa votsotra. Ankoatra ny fisamborana samihafa, dia efa nisy ihany koa ny herisetra mahery vaika. Ny kandida Andry Raobelina izao dia voatery nalefa any ivelany, I Marc Ravalomanana izay sady Filoham-panjakana teo aloha noratraina teo amin’ny tongony sy sandriny,… Ampahany ihany ireny fa ny fanontaniana mipetraka dia hoe: ao anatin’izao fihenjanana sy herisetra samihafa izao ve no hanaovana tery vay manta hanaovana fifidianana? Hampalefy ny tolona tokoa ve ireny sa vao mainka fanohitra hanamafy azy?
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

  • Mbola mafana ny dosie Raholdina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Mifanipaka ny resaky ny PAN

  • Antenimierampirenena
  • Alarobia 06 Mey 2026

Raharaha maro hodinihina anatin’ny 60 andro…

Hijery ny tohiny
FTT