Miadanandriana

Tonga ny fitaovana ho an'ilay "centre de formation"


  • Alatsinainy 15 Aprily 2024

Voatolotra ho an'ny vahoakan'i Miadanandriana ny sabotsy lasa teo ireo solosaina ho fampitaovana

ny ivotoeram-panofanana informatika ho an'ny kaominina. Ny masera zanakavin'ny EKAR Ambohitsoabe no handray fandaminana izany ivotoeram-panofanana izany. Ankoatra ny resaka informatika dia hita ao ihany koa ny fianarana my fiteny Frantsay sy Anglisy.Tsy adino ny resaka fambolena sy fiompiana ary asa tanana izay tena fantatra fa ilain'ny mponina any amin'ity faritra ity.Tsara ho marihina fa tontoso izao ezaka fanabeazana sy fanovozam-pahalalana izao noho ny fiaraha-miasa eo amin'ny Firaisankinan'ny Tia Tanindrazana sy ny Association Manampisoa ary ny fikambanan-dry Masera. Fa ankoatran'ny ao Miadanandriana dia efa nahazo ny anjara fitaovany ihany koa ny eny Ambatomanga samy ao anatin'ny distrikan'i Manjakandriana moa ireto kaominina roa ireto. Nisolotena ny Association Manampisoa nandritra ny fotoana miavaka ny sabotsy lasa teo moa i Zoky Misa filohan'ny fikambanana, tazana teny an-toerana ihany koa Atoa Ranja mpiandraikitra ny FTT ho an'i Manjakandriana. Mifanome tanana isika ka hifampizara fahaizana sy fahalalana hoy izy ireo ary tanjona ny hananan'ny Malagasy toe-tsaina mahay mifanampy.Izay no mitondra mankany amin'ny fivoarana sy fandrosoana.
Nangonin'i RTT
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • 14 oktobra
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

  • TSIAHIN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

TOLONA- TANORA GEN Z

  • Politika ampiharina
  • Zoma 02 Oktobra 2026

eny anivon'ny Minisitera

  • Alain Mahavimbina
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

« Aza mifanilika, ilaina ny tanora,

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

Hijery ny tohiny
FTT