Politique

Miadana Fabien Privat "Fahitalavim-panjakana aza tsy mandraharaha fifidianana"


  • Alarobia 03 Mey 2023

Taom-pifidianana ity fa taona hanavaozana ny lisitry ny mpifidy koa, hoy ny avy eo anivon'ny fiarahamonim-pirenena ONG Tolontsoa.

1 volana sisa hananan'ny olompirenena mahafeno fepetra ho mpifidy hisoratana anarana eny anivon'ny fokontany, izany hoe ny 31 no farany, hoy ny filohan'izy ireo, Miadana Fabien Privat. Ny 10 jona no vita ny lisitra tena izy ho ampiasaina amin'ny fifidianana ho avy amin'ity taona ity. Andraikitry ny olompirenena no mampahafantatra ny olona izay vanim-potoana izay sy ny maha samihafa ny fanavaozana isan-taona ary fanavaozana tanteraka ny lisitra. Inona no fifidianana rehetra ho avy ankoatry ny filoham-pirenena? Anjaranay ny mampahafantatra izany. Eo koa ny antony hifidianana sy hanaraha-maso ny lisitra. Raha ny rafitra no tsy hitokisana dia inona ary ny sosokevitra? Ny fikaonan-doha, efa nanao ny CENI saingy tokony hisokatra ary hiha mafy ny seraserany. Mahagaga fa ny fifidianana dia raharaham-panjakana nefa na ny fahitalavim-panjakana aza tsy mandraharaha fifidianana fa segondra vitsy izany no hitanao ao, hoy hatrany ny tenany, nefa resaka COVID aza teo vitan'ny fitondram-panjakana ny nanao fanagiazana ny haino aman-jery rehetra.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

  • ZAZA RAMANDIMBIARISON
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Tsy tokony ho tara ny

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

Hijery ny tohiny
FTT