Mendrika, kandida ao Alakamisy-Vontovorona

Mbola tsy ben’ny tanàna dia efa mamaha ny olam-bahoaka


  • Alatsinainy 21 Oktobra 2024

Mitohy ny famaliana ny hetahetam-bahoaka ho an’ny Antoko TIM tarihin’ny kandida ben’ny tanàna Mendrika Rasolonirina N°3 ao Alakamisy-Vontovorona

eo anatrehan’ny olam-bahoaka ankehitriny, ka tanàna maro no nisitraka izany. Tao ny nahazo fatsakana toa an’Antsahavory, Ambodivona Ambohimasina,... Efa ela no nangatahanay mponina eto Antsahavory an'io fanamboarana io fa tsy nisy nihaino afatsy i Mendrika, ka mankasitraka tanteraka sy misaotra, ary manolo-tànana azy izahay, hoy ny vahoakan’Antsahavory. Tsy mijanona eo fa ezahana ny hametraka maotera mandeha amin’ny herin’ny masoandro hahafahana mampiakatra ny rano, hoy kosa ny kandida Mendrika Rasolonirina. Tahaka io ihany, dia natolotra ofisialy ihany koa ny fatsakana tao Ambodivona Ambohimasina. Fotoana izay notronin’ny Sekretera Jeneralin’ny TIM Rina Randriamasinoro. Tsy hoe propagandy fa fihainoana ny hetahetam-bahoaka, vonjy aina eo anatrehan'ny fahasahiranana mianjady amin'izao vanim-potoana olan'ny izao, hoy ny kandida Mendrika Rasolonirina. Tahaka ireo fokontany efa nahazo tany aloha, dia nisitraka jiro mandeha amin’ny masoandro ihany koa ny tanànan’i Taramanana, Faliarivo, Andohony izay nanehoan’ny mponina fa tena ilaina eo anatrehan’ny tsy fandriampahalemana. Ankoatra ny asa sosialy, nisy ihany koa ny « porte à porte » nentin’ny TIM nitsidika ny mponina, nampahafantarana ny kandida N°3, nihainoana ny hetahetan’ny mponina ka an-kafaliana no nandraisan’ny maro azy ireo toy ny tao Ambany Avaratra, Andohamandry, Soalandy hatrany Vontovorona, Taramanana,… Naneho kosa ny Sekretera Jeneralin’ny TIM Rina Randriamasinoro, fa ny fifidianana no lalan-tokana hahafahana manova mpitondra sy ny fitantanana satria tsy mandroso isika matoa miverina manao lavadrano satria tsy tonga any an-tokantranon’ny Malagasy ny rano. Misy mpitantana mahatonga ny Firenena tahaka izao ka mahaiza mampiasa tsara ny zo ananan'ny olom-pirenena hifidy satria isaky ny 5 taona ihany io. Rehefa tsy mandeha mifidy isika dia izay tian'ny jiolahim-boto eto amin'ny Firenena no ataony, hoy i Rina Randriamasinoro. Tany amin'ny fifidianana Depiote no seza 2 ny an’Atsimondrano mety tsy naninona hoe sao mba ny samy mpanohitra sao samy lany. Amin'ny ben'ny tanàna dia ben'ny tanàna iray no fidiana ka rehefa tsy TIM dia mpifaninana amintsika izay ka aza manaiky fitahina, hoy izy. Olona natokisana sy mendrika i Mendrika, ary azo antoka fa hitondra avo ny fanevan'ny Antoko amin'ny asa fampandrosoana an’Alakamisy Fenoarivo sy Vontovorona, hoy I Rina Randriamasinoro.
Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Alain Mahavimbina
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

« Aza mifanilika, ilaina ny tanora,

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

  • Razafindrandriatsimaniry Marie
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Dieudonné Michel

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Ny Malagasy ihany no

  • Ben’ny tanàna Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

Hijery ny tohiny
FTT