Politique

Mediatoran’ny repoblika 474 ny fitarainana voaray tao anatin’ny herintaona mahery


  • Alakamisy 15 Desambra 2022

Nanao tatitra mikasika ny asa vitany tao anatin’ny herintaona mahery izany hoe : nanomboka ny volana taona 2021

ka hatramin’ny volana septambra taona 2022 teo ny mediatiora Maitre Lala Ratsirahonana omaly tetsy amin’ny Motel Anosy. Nambarany nandritra izany fa nahatratra 474 isa ny fitarainana voarainy tao anatin’io herin-taona mahery io ka ny resaka ady tany no betsaka indrindra satria dia mahatratra 97 ny antontan-taratasy fitarainana amin’izany. Eo ihany koa ny tsy fandovana ny vola fisotroan-drononon’ny mpiasa izay mahatratra 64 isa, ny trosan’ny orinasa sy ny olom-pirenena mifampiraharaha amin’ny fanjakana izay miisa 61 isa, ireo olana ateraky ny fihetsika mandika lalàna hataon’ny mpitandro ny filaminana izay tafakatra 46 isa, ny fandavana ankitsirano ny zon’ny olom-pirenena izay miisa 39, ireo trosan’ny vondrom-bahoaka hitsinjaram-pahefana miisa 34, ny fihoaram-pefy izay miisa 31 ary ny ireo samihafa izay mahatratra 28 isa. Nitombo io fitarainana io tamin’ny ankapobeny. Raha miisa 133 mantsy no niandohan’izany tamin’ny taona 2018, 283 tamin’ny taona 2019 mba nihena 196 tamin’ny taona 2020 dia nidanganabe indray kosa tamin’ny taona 2021 sy 2022. Tsiahivina moa fa manamora sy manelanelana ny olana mety misy eo amin’ny vahoaka sy ny fanjakana ny mediatiora amin’ny alalan’ny fandraisana fitarainana. Ankoatra ireo andraikitra mahazatra azy dia misy ny fiaraha-miasan’ny mediatiora amin’ireo mpiara-miombon’antoka iraisam-pirenena ka anisan’ny lehibe indrindra amin’ireny ny fiaraha-miasa amin’ny firenena mikambana amin’ny alalan’ny tetikasa Appui a la gouvernance démocratique à Madagascar na ihany koa hoe : goudmada izay vatsian’ny Fonds pour la consolidation de la paix vola.
Pati
Legende : Nandritra ny tatitra nataon’ny mediatioran’ny Repoblika tamin’ny mpanao gazety omaly
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politika
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Notendrena ho mpanolo-tsain’ny

  • Razafindrandriatsimaniry Dieudonné Marie Michel
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Fametrahana aty ifotony ny fitsinjarana

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

Hijery ny tohiny
FTT